AZA MBA HO ISAN’NY VENDRANA IHANY

Aza mba ho isan’ny vendrana ihany
Fa dia mahonena ny zava-mitranga.
Korontana ambony, korontana ambany,
Jereo itony lanitra tsy mety manga.

Aza mba ho isan’ny vendrana ihany
Fa tsisy mandeha izay nampanantenaina.
Ny vina, manjelatra, miely eran-tany,
Kanefa ny gasy dia velon-taraina.

Aza mba ho isan’ny vendrana ihany.
(Midehaka foana sy mirehareha),
Kanjo anarany foana fa tsy arak’izany
Ilay hoe lamasinina maila-pandeha.

Aza mba ho isan’ny vendrana ihany
Ka hety hofitahin’ireo tsisy hapoaka,
F’ireo, efa zatra ny manao vinany
Sy efa mitanjaka imasom-bahoaka.

Aza mba ho isan’ny vendrana ihany
Dia mbà tonga saina amin’ny zava-tsy mety,
Fa efa malaza sy re any ho any
Ilay hoe lamasinina hihoaran-tsarety.

Aza mba ho isan’ny vendrana ihany
Fa lasa faneson’ny be vazivazy.
Mba hoe lamasinina tokana an-tany
Kanefa mikatso amin’ny “ambotaiazy”!

DADAN’i ZINA (08-10-19)