Masoivohon’i Alemaina – Tokony ho eken’ny rehetra ny lalànan’ny mpanohitra hivoaka

Isambilo

Nahatratra 252 tapitrisa Euro hatreto ny fiaraha-miasa ho amin’ny fampandrosoana anampian’ny Repoblika Federalin’i Allemagne an’i Madagasikara. Nankalazaina ny alakamisy 3 oktobra teo, teny amin’ny Villa Berlin Ambatoroka ny fetim-pirenena allemande. Ny fetim-pirenen’i Allemagne nankalazaina io dia ny fankalazana ny fitambaran’i Allemagne indray ny 3 oktobra 1990, ny faha-30 taonan’ny firodanan’ny rindrin’i Berlin, ny 9 novambra 1989 ary ny faha-70 taonan’ny lalàna fototra any amin’ny Repoblika Federalin’i Allemagne (RFA).

Nisolotena ny fitondrana nandritra izany ny ministry ny fampianarana ambony ny Profesora Blanche Nirina Richard, nanome voninahitra ny fotoana ny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa, ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa, ny filohan’ny CFM Maka Alphone, mpkikambana ao amin’ny governemanta. Niatrika izany koa ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny vondron’ny mpanohitra RMDM, Marc Ravalomanana.

Nambaran’ny ambasadaoron’i Alemaina vaovao eto amintsika, Michael Derus, fa io fanampiana amin’ny fampandrosoana anampian’i RFA an’i Madagasikara mitentina 252 tapitrisa Euros io dia misandrahaka amin’ny sehatry ny fanampiana ara-bola, ara-teknika, ary eo amin’ny sehatry ny maha-olona. Ireo sehatra iasana amin’izany dia eo amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy toetrandro, ny fiarovana ny biby sy ny zava-maniry, ny fanohanana eo amin’ny sehatry ny fitsinjaram-pahefana tena izy sy ny fanohanana ny kaominina, eo ihany koa ny sehatry ny angôvo azo havaozina ary ny fanohanana ny sehatra tsy miankina. Tetikasa hafa anampian’i Allemagne an’i Madagasikara koa hoy ny ambasadaoro ny eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy sosialy iarahana amin’ny foibe ara-kolontsaina Germano-Malagasy, ny Friedrich Ebert Stiftung, ny DAAD, na ny Ofisy allemande misahana ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny Oniversite.

Momba ny fifidianana eto Madagasikara, vola mitentina 1,3 tapitrisa Euros no efa narotsaky ny RFA ao amin’ny kitapom-bola SACEM, mirary soa ho an’ireo mpifaninana rehetra amin’ny fifidianana kaominaly ny ambasadaoro Michael Derus noho izany. Mirary ny CENI hahavita ny adidiny koa izy, ary ny governemanta amin’ny ezaka ataony hisian’ny fifidianana mangarahara, demokratika, milamina ary eken’ny rehetra. Nosoritany koa fa ny volana septembra teo dia nisy delegasiona parlemantera Malagasy nitsidika an’i Allemagne noho ny fanasan’ny Bundestag, parlemanta any an-toerana, iriana hoy izy mba ho eken’ny rehetra ny lalàna momba ny mpanohitra hivoaka eo, eto Madagasikara.