Kandida RINA N°2 – Antananarivo – Mitondra vahaolana amin’ny toerana izay alehany

Helisoa

Teny amin’ny boriboritany faha 4 Ankadimbahoaka Atsimo sy ny toby fiantsonan’ny taksibrosy teny amin’ny fasan’ny karana, no notsidian’ny kandidan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Rina N°2 eto Antananarivo omaly tolak’andro.

Niara-dia hatrany tamin’ny kandida Rina Randriamasinoro tamin’ny toerana izay nalehany ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany faha 4 Ramboasalama Emilien ary ireo kandida mpanolotsaina ny tanàna. Tao anatin’izany no nihainoany hatrany ny hetahetan’ireo mponina izay nifanena taminy, ka avy hatrany dia nisy ny vahaolana teo ho eo ihany. Nanome toky ireo mpitatitra ao amin’ny fasan’ny karana ny tenany fa hiara-hiasa izy ireo, indrindra ny hisian’ny fahadiovana ao an-toerana.

Ho an’ny mponina teny amin’ny fokontany Ankadimbahoaka Atsimo dia araka ny fampanantenana izay natao ny mba hisian’ny fitandremana amin’ny loza rehefa miampita lakana, indrindra amin’ny fotoanan’ny rano be dia nisy ny fanolorana salotra aina na gilet de sauvetage ho an’ireo mpitondra lakana sy ny mpandeha hisorohana ny loza mety hitranga.

Rehefa misy ny fiaraha-mientana eo amintsika hoy ny kandida Rina N°2 dia mandroso Antananarivo, satria ny tonga miaraka no fanombohana, ary ny miasa miaraka no fahombiazana.