EDITO 5 Oktobra – Fitantanam-pirenena – Vahaolana tefy maika hatrany no tena hain’ny fitondrana Rajoelina

Sôh’son

Vahaolana tefy maika inona indray no hapoitran’ny fitondrana Rajoelina manoloana ireo olana maro samihafa mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao? Ny vahaolana nentiny hatramin’izay na tamin’ny andron’ny tetezamita, na ny ankehitriny dia tsikaritra mandrakariva izany. Niaraha-nahita ny nataony tamin’ny olana momba ny fiakaran’ny vidin-tsolika, ka nifampikatrohany tamin’ireo mpandraharahan’ny solika. Tsy nanova n’inona n’inona teo amin’ny fiainam-bahoaka ny fampihenana ariary zato, ary tsy nampihontsona ny fangoronan-karenan’ireo goaibe eo amin’io sehatra io. Tsy mitsaha-mitombo ny tsy an’asa isan-taona eto amin’ny firenena kanefa tsy hita soritra mihitsy izay vahaolana. Ireo tsy an’asa ireo anefa no mameno ny araben’Antananarivo renivohitra amin’ny varotra ataony. Andraikitry ny fitondrana ny fikarohan-dalana ahafahana mamorona asa ho azy ireny mba tsy ho eny an’arabe no mamorona asa izy ireo, fa tsy an’ny kaomina velively izany. Ny fitondrana sy ny olony miara-dia sady mpanohana azy indray no mahavariana fa mitsikera ny kaomina amin’izany.

Mikasa ny hampitombo ny voka-bary eto amin’ny firenena ka hanitatra tany hovolena ny fitondrana Rajoelina. Izao anefa iaraha-mahita ity fikasana hanototra tanimbarim-bahoaka eny Ambohitrimanjaka ity, ka hampihena ny voka-bary eto Antananarivo ary manohintohina ny tantara maha izy azy iny faritra iny. Mampikaikaika ny vahoaka ny fidangan’ny sondrobidim-piainana isan’andro. Vahaolana tefy maika amin’ny fikasana hanao tsena mora no nasetry izany. Eo koa ny olam-bahoaka amin’ny trano fonenana, dia vahaolana amin’ny fikasana hanao trano mora no natolotry ny fitondrana. Firy amin’ireo vahoaka sahirana ara-ponenana ireo anefa no hahazo izany?

Ankehitriny mitranga ity ny olana amin’ny fanadinana bakalorea. Vahaolana hanao ahoana indray no atolotra, ankoatra ny amin’izay fepetra noraisina maimaika amin’ireo nahavita heloka? Ampoizina ho tefy maika ihany indray koa io, ka ny fototr’aretina hotsaboina maimaika. Tamin’ny andron’ny tetezamita, dia natao tefy maika ny lalampanorenana ary noezakezahina izay nandaniana azy. Dia izao mizaka ny vokany izao ny firenena aty aoriana, izay niseho izany vao nanomboka niditra tamin’ny fifidianana filoham-pirenena. Io iaraha-mahita io indray koa izao ny resaka governora…

Sehatra maro no anaovan’ny fitondrana Rajoelina vahaolana vonjy tavan’andro, raha atao mahitsy ny filazana azy, fa santionany ireo nolazaina ireo. Maneho indrindra izany, fa tsy voaomana matotra mihitsy ny zavatra ho atao sy hitantanana ny firenena, hany ka tsy hita soritra mazava izay fivoaram-piainan’ny vahoaka sivy volana aty aoriana.