EDITO 26 Septambra – Politikam-pampandrosoana sy fikarohana – Nalan’ny mpiasan’ny FOFIFA ny saron-tavan’ny fitondrana

Sôh’son

Miseho hanao asa goavana amin’ny fanitarana ny tany fambolem-bary sy hamokam-bary be ny fitondrana Rajoelina ao anatin’izao fe-potoana iasany izao. Nampahafantarina amin’ireo haino aman-jery samihafa ny tetikasa momba izany any amin’ireo faritra samihafa izay midadasika be ihany raha ny filazana azy. Toa ireny fitondrana tsara fomba fiasa ireny tokoa ity fitondrana ity eo amin’ny tontolon’ny seha-pambolena eto Madagasikara.

Tsy izay loatra anefa no marina, rehefa nandre ny antsoantson’ireo mpiasa eo anivon’ny Fofifa (Foibe Fikarohana momba ny Fambolena) izay iandreketan’ny fanjakana ny ampaham-bola fanohanana azy. Mpiasa izay nilaza fa fito volana be izao izy ireo no tsy nandray karama, ary saika isan-taona dia misy fahatarana hatrany ny karama raisiny. Raha ny amin’ny fito volana farany izao dia ao anaty fitantanan’ny fitondrana ankehitriny izany.

Adinon’ny fanjakana ve ireo, tsy nahy sa fanahy iniana sy ikimpiana fotsiny izao? Tsy tena fanaovana olombelona tsinontsinona ve izany? Voadona mafy ny fiainam-pianakavian’ireo mpiasa, raha ny nambaran’izy ireo, ary ny ankizy dia tapaka ny fianarany. Dia ahoana moa izany? Tsy olana ho an’ny fitondrana ve izany, eny na dia lazaina aza fa “subvention” no avy amin’ny fanjakana?

Ny mahavariana dia amin’ny lafiny famokaram-bary hindrahindraina be tsy misy hoatra izany fa hifofotra ny fitondrana, ary amin’ny fiahiana ny sosialin’ny mpiasa anefa toa tsy mandeha amin’izay laoniny. Tsy tokony hohadinoina anefa, fa tena mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny famokaram-bary eto amin’ny firenena ny FOFIFA ary iaraha-mahalala ny zava-bitany toy ny amin’ireo masomboly. Ary any ivelany amin’ireo tany mandroso sy matanjaka dia tsy atao ambanin-javatra velively fa tena omena hasiny sy lanjany ny seha-pikarohana. Eto amintsika anefa, ao anatin’izao fitondrana izao, toa adinodino izany. Nisy ireto mpiasa nanaitra ny amin’ny manjo azy am-bolana maro ireto no nahafantarana mazava ny fomba fiasan’ity fitondrana eo amin’ny fanatanterahany ny fandaharan’asany eo amin’ny tontolon’ny seha-pambolena eto amin’ny firenena. Toy ny mandeha ila tahaka ny kiraron’i Beminahy izy ity…