Jean-Luce Randriamihoatra – Fady ny fanotorana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka

Nangonin’Isambilo

Jean Luce Randriamihoatra, zanak’Ambohitrimanjaka

Naneho hevitra momba ny tetikasa Tana-Masoandro fikasan’ny fitondrana hanototra ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka, i Jean Luce Randriamihoatra, izay zanak’ity tanàna ity. Ny fanaovavana io foto-drafitrsa io hoy izy dia na mahafanina, na mahafaty. Ny tenin-dRay aman-dReny, hoy izy raha toherina, raha tsy mahafanina dia mahafaty … indrindra narahin’ozona. Atsaharo ny manototra ny Sompitr’Ambohitrimanjaka sy Ambohidrapeto raha tsy te-ho kizo fara re! Avy masiaka mihitsy ireo tanora (iraka) hanely tsaho sy atsanga tsy aman’orana mba hanamarinana ny tetika hanotorana ny Tanimbarinay 1.068 ha.

Ireto hevi-doza sasany atosik’izy ireo : tsy mahavita taona akory. Ny tany hafa afaka ambolena vary betsaka. Tsory fotsiny fa ny Vohitray mihitsy no tian-kafindra any lavitra any. Misy tanimbary ve ao Paris? Raha ny honahona sy tanimbary ao anatin’ny CUA dia mihoatra lavitry ny velaran-tany tadiavin’ny Tanà-Masoandro, ka tsy ireo no totorana. Ravao ary hanoreno “buildings” eny amin’ny “bas quartiers”, … Hanaovana tanim-biriky fotsiny ? Tsy mitombina avokoa ny fiarovan’izy ireo ity tetikasa ity. Izahay anie tsy mandà ny tetikasa Tanà-Masoandro, saingy ny toerana hametrahana azy no mamoa-fady hoy ihany Jean Luce Randriamihoatra.

Fantatr’i Andry Rajoelina ve ny mahasoa ? Orinasa malagasy moa no hanatanteraka ny Tetikasa, ary sokajin’olona inona no hisitraka azy, amin’ity karama farany ambany ariary 200.000 ? Sy ny sisa, sy ny sisa… Hafatry ny Pape François ny tsy hanjakan’ny “Culture du privilège” (“ny avo ihany no ampiana sy tovonana”). Hafatry ny Papa Fransoà ny hanajana ny MAHA-MALAGASY, ka tsy ho voasariky ny rendrarendra ivelany. Fahavaloko, fahavalonao, fahavalontsika … ireo manimba ny Tany, hoy ihany ity zanak’Ambohitrimanjaka sy Ambohidrapeto ity.