EDITO 24 Septambra – Politika sy fifidianana – Ahiana amin’ny hala-bato indray ny Ceni

Sôn’son

Hiditra amin’ny fifidianana ben’ny tanàna ny firenena tsy ho ela. Vao miresaka fifidianana anefa dia mitodika avy hatrany any amin’ny Ceni mikarakara ny fifidianana ny vahoaka. Fanahiana avy hatrany no an-tsain’ny vahoaka noho ny zavatra hitany sy reny tamin’ireo fifidianana efa nandalaovana teo aloha. Teo ny fifidianana filoham-pirenena, ary nanaraka azy teo ny fifidianana solombavabahoaka. Tsy ho voafafa ao an-tsain’ny maro ny zava-nitranga tany amin’ny volana desambra n’inona n’inona ataon’ny fitondrana, ary mipetraka ho tantara izany. Nandray “anjara mavitrika” ao anatin’izany ny Ceni ary na dia nanao izao sy izao tamin’ny fiarovan-tena sy fanadiovan-tena samihafa aza dia fantatry ny vahoaka ny marina. Tsy horesahina eto aloha ny nataon’ny Hcc na dia lasa fitenin’ny vahoaka andavanandro aza ny amin’ny “azo raisina fa tsy mitombina”. Tsy nisy izay tsy nahita fa tany amin’ny Ceni ny “baolina” tamin’ireny rehetra ireny. Nanomboka tamin’ny famoahana ny vokatra tsy ofisialy no nampiala ny fitokisan’ny vahoaka azy ny amin’ny fahamarinan’ny fifidianana, ary sary tsy miala velively io fa tsy atao ambany maso tsy hita. Tsy mbola voadion’ny Ceni hatramin’izao manoloana ny vahoaka, izay aloha no hita.

Hiditra amin’ny dingana fahatelo amin’ny fifidianana ben’ny tanàna isika ankehitriny, tsy nisy fiovana ny kianja napetraky ny Ceni hilalaovana ho an’ny “mpilalao”. Ary iaraha-mahita hatrany fa manaiky antsakany sy andavany izany ny rafitra antoky ny fahatomombanan’ny fifidianan’ny fifidianana sy ny famoahana ny vokatra ofisialy. Ny “mpijery”, na ny vahoaka, anefa vonona hamaky bantsilana hatrany ny zava-miseho, fa tsy hampihemotra azy ny fiatrehana ny lalao ary vonona izy hitondra ny anjara birikiny amin’ny maha-mpilalao fahatelo azy ho amin’ny fandresen’ny mpilalao tohanany.