NY TANORA GASY VONONA SY NY TRANAINY GALY FANTSY

Tato ho ato dia nanaitra ireo karazam-panendrena,
Ny amin’ny olona halefa ho masoivohom-pirenena,
Fa tsy hita tabilao ka maro no ningonongonona,
Ireo mihevitra ho isan’ny Tanora Gasy Vonona.

Tena tsy tanora mantsy ireo voatendry ho any ampita,
Fa ny sola sy efa goga, sisan’ny tetezamita!
Ka dia zendana sy gaga ny hendry sy ny manan-tsaina,
Fa Tranainy Galy Fantsy hatrany hatrany no nalaina.

Ary tsy amin’izany ihany f’amin’ny seha-pifidianana,
Dia tranainy marobe no mbola arotsaka hotohanana.
Eto Iarivo, ny tanora moa mataho-panadinana,
No dia ny efa “lany daty” no nalefa hifaninana?

Ny Tanora Gasy Vonona ve no tsy ampy traikefa,
No Tranainy galy Fantsy hatrany hatrany no nalefa?
Sa na efa antitra aza dia tambazana, tohanana,
Fa ireny no sakaiza sy atidoham-panonganana?

Dia ahoana irony teny nentina nampanantena
Fa hoe “andry ny tanora” ka dia tena hojerena?
Ny “andry boboka sy lo” no mbola hindraina sy hajaina?
Mihevera ry tanora, aoka ianao ho tonga saina!

DADAN’i ZINA (20-9-19)