EDITO 21 Septambra – Fiharatsian’ny voka-panadinana : mila miala tsiny ny fanjakana

Radafy

Niaraha-nahita ny fiharatsian’ny voka-panadinana ara-panjakana roa tamin’ity taom-pianarana efa hifarana ity. Nisy fihenan’ny vokatra na teo amin’ny Cepe na Bepc farany teo. Nahatratra hatrany amin’ny 12% ny fihenan’ny taham-pahafaham-panadinana ho an’ny ny Bepc ho an’ny teo anivon’ny Cisco Antananarivo renivohitra fotsiny no resahina. Efa ambany ny vokatra tamin’ny taon-dasa fa teo amin’ny 48%, kanefa dia mbola tsy nisy fihatsarany tamin’ity taona ity fa ny mifanohitra amin’izay no nitranga. Hanao ahoana koa ny ho fitrangan’ny voka-panadinana bakalorea ho avy amin’ny 30 Septambra io?

Araka ny fanadihadiana dia noho ny halavan’ny taom-pianarana no anton’izany, ka nahareraka ny mpianatra sy ny mpampianatra. Voamarina araka izany ny famakafakana natao teto talohan’ny fanadinana ara-panjakana roa ireo ary ny mpandinika iray aza efa sahy nilaza mahitsy tamin’izay, fa ho fotaka ny voka-panadinana ho avy rehetra eo.

Miseho tokoa ity ny novisavisaina. Iza no tomponandraikitra? Ny fanjakana, ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, ny fitondrana. Sa hailika amin’ny mpianatra sy mpampianatra ary ny ray aman-dreny indray ny lesoka. Tsia, mila miala tsiny, miala fondro amin’ireo farany ireo ny tompon’andraiki-panjakana, satria izy ireo no voa mafy ao anatin’izao tranga amin’ny fampianarana izao. Efa nanao fahadisoana lehibe ny fitondrana amin’ity fanovaovana ny fandaharam-potoana na tetiandro amin’ny fampianarana ity. Tany ny fositra ary niniana nikimpiana ny haha-lasibatra ny zaza sy tanora Malagasy hianatra mandritry ny 11 sy 12 volana mandritry ny taom-pianarana. Hadisoana bevava amin’ny zanak’ity firenena ity sy ny ray aman-dreny izany. Hody fanina fotsiny amin’izao indray ve ny fitondrana?

Mbola hitohy io haha-lasibatra ny mpianatra io rehefa mivoaka ny voka-panadinana rehetra, indrindra amin’ny bakalorea, satria tsy hanam-potoana firy hialan-tsasatra akory ireo izay sanatria tsy ho afaka. Hiniana hikimpiana ihany koa izany satria any amin’ny tapaky ny volana oktobra dia efa hianatra indray ary ny vola aza ho an’ny sekoly sasany dia efa terena aloa sahady ho amin’ny taom-pianarana vaovao manaraka. Sempotra tanteraka ireo ray aman-dreny fa tsy nisy fotoana mba nakana bahana akory hanangonana vola hiatrehana ny fampidirana ny ankizy. Fitondrana tsy mitsinjo ny fahasahiranan’ny vahoaka eo ami’ny sehatry ny fampianarana izany. Mbola ho avy ary iaraha-mahita eo ny bakalorea, dia ho hita eo koa izay ho fihetsiky ny fitondrana miseho babany noho ny rehetra ity, kanefa hatreto…