Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana – Be ny zava-bita nandritra izay 4 taona izay

Helisoa

Nifarana omaly 18 septambra ny fotoam-piasan’ny ben’ny tanàna manerana an’i Madagasikara . Raha ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra (CUA), tarihin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana dia nahavita zavatra manakaiky ny vahoaka izy na maro aza ny sakana nandritra ny fitantanany. Maro ny fanaratsiana ataon’ny sasany , nefa ny mponina eto Iarivo mahafantatra tsara ny zava-misy, ka tsy hanaiky ho rebirebena amin’ny filazàna fa hoe tsy nahavita na inona na inona ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Niasa sy nahay nitantana ny tanànan’Antananarivo i Neny na dia kely aza ny vola teo am-pelatananan’ny CUA hampandrosoana ny asa toy ny: fandoavana ny karaman’ny mpiasa, ny fandaminana ny tanàna, ny fanadiovana ny tanàna, sns,.. Tsy moramora ihany koa rehefa tsy ankatoavin’ny mpitondra fanjakana ny fipetrahan’ny ben’ny tanàna izay tsy mitovy firehana politika sy heveriny fa fahavalo politikany. Na izany aza no nahazo ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana dia mbola nahavita nandamina sy nikolokolo ny tanàna ihany izy tao anatin’ny asa mangina izay tsy nireharehany akory izany.

Tamin’ny andron’ny filoha Marc Ravalomanana dia nisy ny fanampiany ny Ben’ny Tanàna teto Iarivo na dia antoko nanohitra aza, tsy nanilika ny andraikitra irery tamin’ny Ben’ny tanàna ny Filoha Ravalomanana tamin’izany fa nanampy hatrany izy.

Ho an’ireo te-hanamarina hoe nahavita ve ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, sa tsia nandritra izay 4 taona nitondrany ny Renivohitra izay dia afaka mijery izy ireo ao amin’ny Facebook ny CUA dia ny CUA Serasera Ofisialy!