EDITO 17 Septambra – Politika sy toekarena – Mila mihazona ny maha izy azy hatrany Antananarivo

Sôh’son

Nohindrahindraina vao nipoitra ny kandidan’ny IRD, Naina Andriatsitohaina, fa iray amin’ireo mpanefoefo eto amin’ny firenena amin’ny fananany orinasa maro. Teny amin’ny Pk zéro Antanimena no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy fa izy no atolony. Tsy mandehandeha ho azy izany rehetra izany.

Ho an’ny mpandinika dia miharihary fa miray tendro ireo mpanefoefo vitsy an’isa miara-dia amin’ny fitondrana hatrany amin’ny andron’ny tetezamita. Niray ketrika tamin’ny fomba rehetra nampandaniana nandrombahana ny fahefana, na tamin’ny taona 2009, na fifidianana filoham-pirenena farany teo. Niaraha-nahita tsara ny fomba nahazoan’izy ireo ny fandresena tamin’izany indrindra tamin’ny farany teo ireny. Ity kandida ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra ity dia miray volo amin’izy ireo ary nanaiky izay fomba samihafa nandrombahana ny fitondrana izay. Mazava loatra, fa tsy hiala lavitra an’izany no hizorany, araka ny tombantomban’ny mpandinika ny fiainam-pirenena, raha hiroso amin’izao fifidianana manaraka izao. Iray ao anatin’izany efa ahiahin’ny maro dia ny fampiasana volabe indray toy ny nataon’i Andry Rajoelina ihany. Hovidina sa hofitahina amin’ny vola sy ny zavatra marobe manodoka amin’ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra ny mponin’Antananarivo renivohitra?

Efa nodian’ny tompon’andraikitra mahefa voakasika fanina ny amin’ny tokony hanambarana ny loharanom-bolan’ireo kandidà hirotsaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena teo iny. Tsy tafavoaka anefa ny tokony hanaovana fanadihadiana ny amin’izany. Misy antony izany, fa tsy mandehandeha ho azy. Raha ny feo mandeha anefa dia mety hiverina indray io fomba fanatosahana volabe io amin’ity fifidianana manaraka ity? Hisy fepetra horaisin’ny tompon’andraikitra misahana ny fifidianana momba izany mialoha ve, hisorohana izay mety ho voka-dratsiny any aoriana? Efa ireo mpanefoefo vitsy an’isa, teratany na vahiny, mpiray petsapetsa no mifehy ny toekarem-pirenena eto amin’izao fotoana izao. Ary tsy mitsahatra izy ireo, araka ny fanadihadiana, ny miezaka mamahatra araka izay fara heriny sy amin’ny fomba samihafa rehetra izany laka eo am-pelatanan’izy ireo izany, toy ny fihazonan’ny saka nofon-kena eo an-tanany.

Mazava loatra fa noho ny tombontsoa tsy hita pesimpesenina misy eto amin’ity firenena ity, ary mora azo, no mahatonga azy ireo hanao izany. Efa be ny azony na koa voarobany, fa toy ny ranon-tsira io. Mbola azo ekena ve ny hifehezin’izy ireo koa ve ny renivohitr’ity Nosy ity, hangejany misimisy kokoa amin’ny fomba moderina an’i Madagasikara? Aoka hihazona ny hasiny sy ny maha izy azy hatrany Antananarivo dia ny fijanonana ho mpanohitra, mahohitra ny saribakolim-bazaha, manohitra ny mpanongam-panjakana, manohitra ireo mpamotika firenena sy ny mpiray tendro aminy hatramin’ny taona 2009.