Lasa Papa Fransoà : adinon’ny politisiana gasy sahady ny hafatra

Andry Tsiavalona

Tsy misy mahalala ny ao am-po tsy miloaka tokoa fa toa samy nanambara ny politisiana gasy nialohan’ny nahatongavan’ny Papa Fransoà teto, fa hiato kely aloha ny fifanasana vangy ara-politika mandritra ny fitsidihana. Niaraha-niaina anefa fa mbola teto na mbola teto an-toerana aza iny raiaman-dreny ara-panahy iny dia efa nisy nanenjika ny andaniny ny ankilany. Ohatra amin’izany ny tsy nandehanan-dRavalomanana Marc teny Iavoloha fa teny Andohalo vao nandeha ary tena sahiran-tsaina mihitsy ny olona sasany tamin’ny nanoloran’ny Ben’ny tanàna, Ravalomanana Lalao, ho an’ny Papa ny fanalahidin’ny tanàna. Tsy tazana teny Ivato ihany koa, hono, izy mivady ireto sy ny Ben’ny tanàna eny an-toerana izay vavahady fidirana eto Madagasikara.

Ny tsikaritra dia toa tsy mba nanao fanadihadiana ny olona vao manao ireny fanakianana ireny satria misy arofenitra mikarakara ny fandraisana, ka nahatsiaro ny rehetra ny zava-nitranga teny Mahamasina tamin’ny fetin’ny fahaleovantena. Ny Ben’ny tanàna no mandray ny filohan’ny Repoblika amin’ireny fotoana ireny kanefa dia tsy noraharahiana izany na dia azo lazaina fa kely indrindra eo amin’ny resaka arofenitra aza. Fandraisana ara-pomba fifanajana no natao teny Iavoloha, ka raha arofenitra ihany dia ny Ben’ny tanàna no nanokatra ny kabary kanefa matoa tsy izay no nitranga dia tsy nahazo fanasana izany izy matoa tsy tonga teny ihany koa.

Mahafantatra ireny pitsopitsony ireny ny Papa satria manana ny laharan’ny Filoham-pirenena ihany koa. Ankoatry ny fahafantarany tsara ny zava-misy eto amin’ity Firenena ity eo amin’ny sehatra rehetra dia azo heverina fa antony iray nampitany ny hafatra ny tsy hisian’ny “fanilikilihana” ny nahitany izany lesoka izany. Andaniny koa dia tsy misy olona na antoko afaka mihambo fa hahavita hampandroso ity Firenena ity irery, fa tsy maintsy miara-mientana ny rehetra vao afaka miroso (développement inclusif et participatif). Mbola teto aza ny Papa dia efa izany no nitranga, ka tsy mahagaga loatra raha miverina amin’ny ady saritaka ara-politika indray ny gasy raha vao nisidina nankany Roma izy.

Fotoanan’ny fanomanana ny fifidianana ben’ny tanàna sy fifidianana kaominaly koa izao, ka efa samy nanao tombatombana ny mpanara-baovao politika momba izay mety ho kandidà eto an-drenivohitra. Nanolotra ny filohan’ny antoko TIM sady filohan’ny mpanohitra, Ravalomanana Marc, ho kandidà ben’ny tanàna ny vovonan’ny mpanohitra ka samy nanana ny heviny ny politisiana. Ny mpomba ny fitondrana moa dia nanaratsy satria sady efa antitra, hono, Ravalomanana Marc, no efatra taona izay izy sy ny Ben’ny tanàna vadiny no teo kanefa tsy nisy zava-bitany, ka vao mainka, hono, ho potika noho izao ny tanàna raha lany eo izy. Angamba tsy mbola teraka ireny mpanenjika ireny tamin’ny fotoana naha ben’ny tanàna an-dRavalomanana Marc, na jamban-javatra hafa ka tsy nahita ny fivoarana nisy teto raha tsy hitanisa ankoatry ny eny Anosibe (làlana sy tsena), ny Boulevard de l’Europe,… ka ny filohan’ny Repoblika frantsay, Jacques Chirac, mihitsy no tonga teto nitokana ireo.

Matoa misy ny gaboraraka, mpivarotra eny ampovoan’ny arabe, fiara miantsona eny amin’ny trôtoara, sns… amin’izao fotoana izao dia nateraky ny fanjakan’ny baroa taorian’ny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina ny taona 2009 izany. Tsy voafehy intsony ny olona very asa ary tsy nisy intsony ny fanajana ny lalàna velona, fa samy manao izay tiany atao. Tsy eto an-drenivohitra ihany anefa no misy izao toe-javatra izao fa hatrany amin’ny faritra rehetra. Vao nahita na nandre indray anefa fa tsy Ravalomanana Marc no kandidà natolotry ny TIM fa tanora, ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, dia nanambara indray ny mpanenjika fa angaha tsy misy olona mihitsy ao amin’ity antoko ity no olona tsy fantatra no natolotra. Matahotra ny tsy ho lany indray, hono, Ravalomanana Marc, ka naleony nanolotra olon-kafa.

Na izany na tsy izany dia raha mbola tsy manana ny fahefana amin’ny maha tomponandraikitra voalohany (premier magistrat) ny renivohitra ny ben’ny tanàna fa salovanin’ny fahefana mpanantanteraka avokoa ny andraikiny rehetra dia tsy hisy zava-banona eto. Taratry ny fahantrana ny mpivarotra manerana ny tanàna sy ny fahitana olona maro sy fiara maro mifamezivezy amin’ny fotoana fianarana sy ora fiasana satria ao amin’ny firenena mahantra no misy izany, fa any amin’ny firenena mandroso dia zara raha mahita fiara sy olona eny an-dàlana amin’ireo fotoana ireo. Araka izany dia anjaran’ny tsirairay no hisafidy izay heveriny hahafehy ny mponina mba hanara-dalàna tsy hijerena tavan’olona na antoko politika, fa fahaizana manavaka ny tsara sy ny ratsy satria ny hazo ihany no hahafantarana ny voany. Izay miaraka amin’amboalambo dia tsy maintsy amboalambo.