Fa iza moa i Naina Andriantsitohaina, kandidà IRD fifidianana ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra? (update)

Nangonin’i Lanzelo

Franck Naina Andriantsitohaina. 56 taona. Teraka tao Toamasina.

Zanak’i Edmond Rabesahala, anadahin’i Ginette Rabesahala, sy Michelle Meritens, ary natsangan’i Jean-Charles Andriantsitohaina mivady.

Edmond Rabesahala
Michelle Meritens

Manan-janaka efatra, roa lahy, roa vavy tamin’i Carole Andrianony. Misaraka. Miaraka amin’i Claudia Pichler.

Fianarana: Diplôme d’études économiques supérieures (DESS) tany Frantsa.

2009: nandray an-tanana ny vondrona orinasa Andriantsitohaina, nandimby ny rainy Jean-Charles Andriantsitohaina. Niara-niasa akaiky tamin’i Mamy Ravatomanga ho an’ny fiovàna ara-politika tamin’ny taona 2008-2009.
2016: vola maty (CA) vokatry ny vondrona Andriantsitohaina mahatratra 15 tapitrisa euros, mampiasa olona 400.

Sehatra tantanan’ny vondrona Andriantsitohaina:
– fanatontàna taratasy: Nouvelle Imprimerie des arts graphiques (Niag),
– akora simika: Prochimad
– banky: BMOI
– gazety: vondrona Ultima Media, gazety Les Nouvelles, tranonkala NewsMada, radio Alliance 92.

Janoary 2019: voatendry ho ministry ny Raharaham-bahiny.

13 Septambra 2019: Milatsaka ho fidìna ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra