EDITO 12 Septambra – Fampandrosoam-pirenena : natao ambanin-javatra ny singa antoka amin’izany

Sôh’son

Mbola olana lehibe mampiferin’aina ny vahoaka Malagasy eo amin’ny fiainany andavanandro ny tsy fandriampahalemana, izay manjaka manerana ny Nosy. Tsy misy afa-miala amin’izany avokoa na ambanivohitra na an-drenivohitra. Fositra iray lehibe tsy mampandroso ny firenena io toe-javatra io. Hatraiza anefa ny herin’ny fitondrana amin’ny fiatrehana ny ady amin’izany.

Nazava ny tenin’ny filoha Ravalomanana Marc ny talata lasa teo. “Tsy misy fiadanana, raha tsy misy fandriampahalemana”, hoy izy. Ny filaminan-tsain’ny vahoaka no miantoka ny fitoniany miatrika ny asa fihariana ataony. Iaraha-mahita tsara anefa izay tsy fitoniana eo amin’ny vahoaka izay ary tsy atao ho mahagaga raha tsy misy fivoarany ny fiainam-bahoaka. Na dia nilaza sy niseho ho miady amin’io tsy fandriampahalemana io tamin’ny fanafarana fitaovam-piadiana samihafa hatramin’ny angidimby aza ny fitondrana ankehitriny dia tsy hita soritra misongadina aloha ny vokatra. Tsy mbola mandry fahalemana ny mponina, fa mbola mitohy mandry andriran’antsy lava…

Mampieritreritra fatratra ny tenin’ny mpanadihady iray izay nilaza fa tsy handroso mihitsy isika raha ho toy izao hatrany, raha tsy misy fahatsapan-tena sy fiovan-tsaina goavana eo amin’ny mpitondra. Mazava loatra fa nandinika lalina sy nahita ny zava-misy izy matoa niteny an’izany. Milaza handeha mafy ny fitondrana izay miseho ho mahalala sy mahatsapa ny fahoriam-bahoaka, kanefa tsy tafahataka amin’ny zava-nisy teo aloha izay notorontoroniny. Tsy hita mihitsy hoe niala tamin’ny fomba ratsy nataony tao anaty fotoanan’ny tetezamita izy. Ohatra iray lehibe amin’izany, ny tsy fisian’ny fiezahana hiroso marina amin’ny fampihavanam-pirenena. Io anefa no fototra iray lehibe ho amin’ny tosika amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Mazava loatra fa manao an-tsirambina na natao ambanin-javatra tanteraka ny tena zava-dehibe ilain’ny firenena ny fitondrana, hany ka tsy atao ho mahagaga raha mbola mihazohazo hatreto ny fandrosoana. Valo volana izao tsy mbola naneno ny akoho…