Hafatry ny Ray Masina François – Felaka tehamaina ho an-dRajoelina sy ny fitondrany

Helisoa

Tapitra androany ny fivahinianan’ny Ray Masina Francois teto Madagasikara nandritra 5 andro. Toerana maro no notsidihany tamin’izany, ka ny sabotsy maraina teo dia teny amin’ny lapampanjakàna Iavoloha, izay nihaonany voalohany tamin’ireo mpitondra sy ny fiarahamonim-pirenena ary ireo masoivoho vahiny araka ny fandaharam-potoana izay efa napetraka.

Nisy ny hafatra mafonja nataon’ny Papa Francois ho an’ireo manampahefana eto amin’ny firenena sy ny vahoaka Malagasy. Tsy nitsitsy fitenenana ny ray amandreny am-panahy ary toy ny tehamaina ho an’ny Filoha Rajoelina sy ny fitondrana tarihany ny lahateny nataon’ny filohan’ny EKAR eran-tany, satria fantany tsara ny fahantrana sy ny olana mahazo ny vahoaka Malagasy. Nasongadiny tao anaty lahateniny ny resaka fihavanana izay soa toavina mampiavaka ny Malagasy ny fandalàna izany, eo ny resaka kolikoly sy tontolo iainana.

Voalohan-tenin’ny Papa Francois teny Iavoloha ny fiarahabàny ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka izay nahatonga izao fitsidihany an’i Madagasikara izao, tany mahafinaritra araka ny nambarany. Ao amin’ny savaranandon’ny lalampanorenana Malagasy hoy izy dia natao ny nanamarihana toy ny tombon-kase ny iray amin’ny soatoavin’ny kolotsaina Malagasy dia “ny fihavanana”, izay mampahatsiaro ny toetsain’ny fifampirazàna, ny fifanampiana ary ny firaisankina. Amin’izany no hisehoan’ilay “fanahy” Malagasy sy toetra mampiavaka azy. Raha tsy maintsy ekentsika sy omena lanja ity tany voatsodrano ity hoy izy, noho ny hatsaràny sy ny harena voajanahary tsy hita pesimpesenina ananany dia tsy aza amaivanina mihintsy ny manome lanja an’ilay “fanahy maha Malagasy”.

Teo amin’ny lafiny politika dia nazava ny fanambaràna nataon’ny Ray Masina, hatramin’ny nahazoan’i Madagasikara ny fahaleovantena hoy izy dia naniry hiaina ao anaty fandriampahalemana sy filaminana ny Malagasy, ka niroso tamin’ny fifandimbiasana demokratika izay nanehoana ny fanajàna sy fifamenoan’ireo fomba fitantanana sy ireo vina. Mazava ho azy izany fa ny asa sy andraikitry ny politika hoy izy dia miteraka fanamby maharitra ho an’ireo izay nomena iraka, mba hanompo sy hiaro ny mpiray tanindrazana aminy.

Ho an’ny resaka kolikoly indray dia nazava ny hafatra napetraky ny Papa Francois, mankahery anareo aho hoy izy hiady amin’ny herinareo ny endriky ny areti-maharitry ny kolikoly sy ny fitadiavana tombontsoa, izay mampitombo ny fahasamihafàna ara-tsosialy eo amin’ny Malagasy. Izay hoy izy no tsy maintsy hanorenana ireo rafitra elanelampanahy, izay afaka miantoka ny fitsinjaràna tsaratsara kokoa ny vokatry ny asa ary ny fampivoarana ny fari-piainan’ny mponina indrindra ireo tena mahantra. Ny fijerena ny antoko mpanohitra izay arirariran’ny fitondrana ny famoahana ny sata mifehy azy, nefa lalàna efa tokony hampiharina.

Ankoatra izany, nisy hafatra napetraky Papa amin’ny fomba iarovana ireo harena voajanahary. Ny nosy Madagasikara hoy izy dia tsara tarehy ary manankarena amin’ny zavamanan’aina maro isankarazany: zavamaniry sy ny biby, nefa tandindonin-doza vokatry ny faharavan’ny ala efa tafahoatra noho ny tombontsoan’olom-bitsy. Eo ny fikapàna sy fanondranana antsokosoko any ivelany ireny hazo sarobidy ireny. Marihina anefa hoy izy fa ny ankamaroan’ireo asa manimba ny tontolo iainana dia ireo miantoka amin’ny fotoana tsy maharitra ny fiveloman’ireo mponina voakasik’izany. Noho izany, zava-dehibe tokoa ny mamorona asa fihariana ahazoambola izay manaja ny tontolo iainana sy manampy ny olona hiala amin’ny fahantràna.

Farany, ilaina hoy ny Papa Francois ny fihainoana ny hafa, izay mbola tsy ataon’ny fitondrana Rajoelina hatreto, fa ny di-dohan’izy ireo ihany hatreto no mbola ataony. Raha manohana ireo fandraisana andraikitra ireo isika hoy izy dia ny feon’ny tsy manampeo ho lasa heno bebe kokoa. Tahaka izany ireo endrika maro samihafa ahitàna firindràna na dia mifanohitra aza. Manainga anareo aho hoy ny Papa Francois mba hihevitra ny lalan-kizorana ahitàna fa tsy misy olona iray azo AHILIKA , na mandeha irery na very eto amin’ny firenena.