Fifaninanana Energies 2019 tatsy Maorisy – Norombahan’ny mpianatra Malagasy ny loka voalohany (3000€)

Voaporofo indray teto amin’ny “Energies 2019”, izay fifaninana mikasika ny tetikasa momba ny angovo aty amin’ny ranomasina indianina, fa mahay ny tanora Malagasy.

Nisongadina ary nibata ny loka voalohany ny mpianatry ny Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana – Antananarivo Avaradrano tamin’ny alalan’ny tetikasa “Biogaz” ao amin’ny sekoly ianaran’izy ireo.

Tatsy amin’ny nosy Maorisy no natao ity fifaninana amin’ny famokarana angovo ity, izay natokana ho an’ireo mpianatra amin’ny Lycée. Ny vaomieran’ny ranomasina indianina (COI) sy ny tambazotra Eco-Schools Océan Indien no nikarakara ny fifaninanana.

Efatra ireo sekoly nifaninana dia ny Lycée Andrianampoinimerina Sabotsy Namehana tamin’ny alalan’ny tetikasa “Biogaz” ao amin’ny sekolin’izy ireo; ny Lycée Said Mohamed Djohar atsy Comores nandroso tetikasa “Solar Lycée”, ny Mauritius College Boys atsy Maorisy tamin’ny alalan’ny tetikasa “A proposal to use solar energy as an alternative power source for Mauritius College”; ary farany ny mpianatry ny Anse Royale Secondary School avy atsy Seychelles amin’ny alalan’ny tetikasa “Solar grass cutter”.

Ny tetikasa Eco-Schools izay iarahan’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ary ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana no mampiofana sy mampianatra eny anivon’ireo sekoly Malagasy mahakasika ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny fampiasana angovo maitso.

Ny Valosoa