Kaomina Ankadimanga Atsimondrano – Miditra amin’ny fotoam-piasana tanimbary fa tafiditra ny rano

Radafy

Efa tafiditra ny rano eny amin ‘ireo tany fambolem-bary ao anatin’ny kaomina Ankadimanga Atsimondrano amin’izao fotoana izao.

Izany dia vokatry ny fahavitan’ny tohadrano eny Anosivita tamin’ny alalan’ny malala-tanana samihafa. Ny kaomina ihany koa dia nitondra anjara biriky be tamin’izany ary volany madiodio no nampiasaina. Anisany ny fanentanana ny fokonolona tao anaty sabotsy in’efatra talohan’ny asa nampiasana olona fito nandritra ny iray volana latsaka, izay nokaramaina 7 arivo ariary isanisany isan’andro; nandaniana vato 42 kamiao ny asa, ka ny 11 kamiao tamin’ireo dia ny kaomina avokoa no niantoka azy. Mbola misy ny ezaka atao miandry ny kaomina amin’ny fanamafisana ilay tohadrano sy anentanana ny vahoaka eny an-toerana mba hanome tolo-tanana sy hanome hery hahafahana manatanteraka izany.

Manoloana izany asa vita izany sy ny fidiran-drano dia manentana ireo mponina ny Ben’ny tanàna, Rakotondrafara Jean de Dieu, mba samy hiasa ny tanimbariny avy ny tsirairay. Maneho fisaorana ihany koa ny tenany an’ireo malala-tanana rehetra sy ny vahoaka iray manontolo tamin’ny nahavitana ny asa.

Maro ny asa vita teo anivon’ny kaomina tao anatin’izay efa-taona izay. Vita ireo fotodrafitrasa toy ny lalana mirefy 300 m izay natao rarivato ary namaha ny olan’ny mponina rehefa fotoam-pahavaratra; ny nahavitana ny vavarano teo Anosivita; ny fampidirana andrin-jiro maherin’ny 10 nankeny Andohalafy, ary efa vita tombana ny fanaovana fanitarana ny jiro mankeny Ampanasana izay mitentina 180 tapitrisa ariary, angatahina amin’ny malala-tanana ny fanampiana ny efa eo am-pelatanana. Maro ihany koa ireo asa vita teo amin’ny lafiny sosialy, toy ny asa fanatsarana ireo Epp tao anatin’ny fokontany telo ( Andohalafy, Andravàko, ary Ambohimidasy); ny fanampiana ireo mitsabo tena amin’ny fampihenana amin’ny fandaniana na mandalo dokotera fotsiny na miditra hopitaly. Zava-baovao natao ihany koa ny fanamafisana orina ny firaisan-kina sy ny fihavanana teo amin’ny samy mpiara-monina tamin’ny alalan’ny fiaraha-miory tamin’izay mana-manjo, ka nanaovana ny “rakitra mampiray” izay tena zava-dehibe tokoa hoan’ireo tojo an’izany.

Miara-miasa amin’ny fikambanana sy mpiara-miombon’antoka samihafa ihany koa ny kaomina eo amin’ny sehatra fanorenana sekoly. Misy, ohatra, ny fanorenana trano iray lehibe ao amin’ny Epp Ankadimanga, izay misy efitra telo ary efa eo amin’ny 70 isanjato ny asa vita. Maro ny asa efa voavikavika ary ireo aloha no voatsindry zaitra, fa mbola maro ihany koa ireo hotsindriana zaitra, izay efa an-dalana avokoa, hoy ny nambaran’ny ben’ny tanàna.