AMPIHARO NY LALÀNA EFA MISY

Nony injay fa tsy mpanohitra intsony
Dia tadiavina ovàna ny lalàna?
Mandiniha ‘nareo mihevitra ho ambony
F’aza dia manao fisainana “sanàna”.

Na “mpitondra” ianao na “entina”, tsarovy,
Fa ho an’ny rehetra ny lalàna.
Tsisy ambony, tsisy ambany fa mitovy,
Na vahoaka na mpitondra fanjakana.

Koa esory ny endrika fitiavantena
Izay mpahazo anao mba manam-pahefana.
Tombontsoan’ny maro an’isa no jerena,
Izay no antony hametrahana lalàna.

Tsy ho fanilihana olona tsy akory
No hikitihana ny didy sy lalàna,
K’aza dia mandany andro ny mivory
Ny amin’ny zavatra tsy tokony hovàna.

Dada ihany no tsy tiana raha izao
Ka dia fofoina sy tsy avela hisoka-bava?
Mihevera ry tsy misy kalitao
Fa hay kanosa nefa loza raha handrava!

DADAN’i ZINA (25-08-19)