Zoma 16 Aogositra 2019 – Tafapetraka tanteraka ny demokrasia anaty ny vovonana Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara

Zoma 16 Aogositra 2019, Hôtel Carlton Anosy. Tafapetraka tanteraka ny demokrasia anaty ny vovonana Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM, vokatry ny fifanantonan’ny antoko miisa 21. Lany filoha nasionalin’ny RMDM i Marc Ravalomanana sy ireo filoha lefitra miisa 6. Antoko 15 tao anaty ny 21 no nandany an’i Marc Ravalomanana.

Nasesiky ny fitiavan-tanindrazana ireo antoko 21 ka tapa-kevtitra fa hanana fomba fijery mitovy na dia samihafa aza ny fomba fiasa. Fomba fijery hilaza ny marina sy hijoro ho mpanohitra amin’ny tsy fitoviam-pijery amin’ny ny fitondrana ankehitriny.

Natsangana tamin’ny Talata 14 Aogositra ny RMDM. Ny zava-kendrena dia ny andraisan’ny daholo be anjara amin’ny firenena, amin’ny alalan’ny fampianarana, fanofanana sy fampahalalàna ireo antoko mpanohitra, hilaza ny marina ary ho sahy hijoro.

Ezahina ny ametrahana rafitra isaky ny faritra 22, ampahafantarana ny vahoaka ny zavatra mitranga.

Misy dimy ny antony ijoroan’ny MRDM:

  • fametrahana rafitra fanoherana matanjaka izay mikasika ny tombontsoam-bahoaka ary hitsara ny fitondrana amin’ny fampanantanena izay nataony tamin’ny vahoaka
  • fametrahana arofanina ho an’ny mpitondra mba tsy hisy ny fanamparam-pahefana izay mety hitondra any amin’ny didy jadona any aoriana
  • filazàna ny tsy mety eo amin’izay fitantanan-draharaha sy fanapahan-kevitra raisin’ny fitondrana, na ireo tetikasa izay tsy mitondra tombon-tsoa ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny firenena manontolo; tazomina ho tompon’andraikitra amin’izany izy ireo
  • filazàna ny marina amin’ny alalan’ny tsikera eo amin’ny fitantanana ny firenena mba ho fantatry ny vahoaka ny zava-misy eto amin’ny tany sy ny firenena
  • rafitra hahafahana manentana ny vahoaka Malagasy rehetra eo amin’ny andraikitry ny mpanohitra manoloana ny zava-misy.

Ny tanjona dia:

  • fametrahana ny demokrasia tena izy, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena
  • fametrahana ny fanjakana tan-dalàna mba isorohana ny fanamparam-pahefana sy ny didy jadona
  • fametrahana ny fanjakana tsara tantana ho an’ny tombontsoam-bahoaka
  • fikatsahana sy fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy iray manontolo fa tsy olom-bitsy sy ireo mpitondra manodidina ny mpitondra fotsiny
  • fampitàna ny zava-misy eto na ny tatitra alefa any amin’ny mpiara-miombon’antoka amintsika
  • firesahana miaraka amin’ny fitondrana, raha mandeha tsara amin’ny “bonne direction” ry zareo, amin’ny fikatsahana sy fitadiavana ny famatsiana ara-bola; averiko ombieny ombieny fa tsy latsaka ny 87%-n’ny vola miasa eto amin’ity firenena ity dia avy any ivelany avokoa.

Omaly izahay dia nanatrika ny fankalazana ny fetim-pirenena indiana. Raha mbola misy hoy izy ny ‘instabilité’ eo amin’ny firenena, aza manofy mihitsy ianareo hoe handroso. Noho izany mba hisian’ny fampandrosoana haingana amin’ity firenena ity dia nijoro ny antoko mpanohitra ho an’ny demokrasia tena izy eto Madagasikara. Ary rehefa mijoro izy dia tsy hijoro hitsikera na hanongana, fa hijoro hanampy raha toa ka mifanaja. Mihaino anareo izahay, mijery anareo izahay, fa ianareo koa henoy izahay fa manana ny traikefanay koa izahay, mahafantatra ny atao koa izahay ary manana ny fifandraisana any ivelany sy eto an-toerana koa izahay, ary manana ny vahoaka maro be koa izahay miaraka aminay.

Mba hisian’ny fampandrosoana haingana sy mba hisian’ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy dia aza hodiana tsy hita na amaivanina ny sosialim-bahoaka. Jereo ireo ankizy, zanatsika, izay tena menaky ny aina, tsy maintsy atao izay hampianarana azy.

Jereo ireo harena an-kibon’ny tany, izay trandrahan’ny sasany amin’izay fomba hitiavany azy fotsiny. Ary jereo ihany koa ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemanana satria mbola manjaka ny kolikoly.

Ny tolo-dalàna izay narosonareo eny anivon’ny antenimierampirenena, laharana 01-2019 PL, dia tena lavinay an-kitsirano ary tsipahanay; tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana no sady mikendry ny hanampim-bava ny antoko mpanohitra misy eto Madagasikara na ny MRDM, fanaovana ambanin-javatra ny toeran’ny mpanohitra, fikasàna hisakana ny antoko mpanohitra tsy hahita sy tsy hahalala ary tsy hiteny, ary indrindra tsy fanomezana ireo fitaovana izay tapaka tamin’ny tolo-dalàna 2011-013. Aoka hanaja ny lalàna isika.

Eto am-pamaranana dia mametraka mandrakariva ny asa ataontsika mianakavy eo ambany fitahian’Andriamanitra isika.

Ho atao ohatra eto Madagasikara ny antoko mpanohitra, ho reharehan’ny kaontinanta afrikanina ny antoko mpanohitra RMDM. Dia samy ho tahian’Andriamanitra isika.