HO AVY ILAY NANDRASANA

Tena ho avy ilay nandrasana ka mitohy ny fanentanana.
Efa akaiky dia akaiky ny fotoana hiomanana.
Ao ireo hetsi-panadiovana, kanto ireny, tsisy tsiny.
(Indreo afenina ny loto tsy ho hitan`ny vahiny!)

Tena ho avy ilay nandrasana ka mitohy ny fanentanana.
Toa milamindamin-dratsy ny tanàna raha tombanana!
Saingy indrisy, moa ho sary mihelina mandalo ihany
Ho an’ny Malagasy maro izany rehetra rehetra izany?

Tena ho avy ilay nandrasana ka mitohy ny fanentanana.
(Toa navela vetivety ny ady sy fifanolanana!)
Saingy be no efa manahy fa raha vao lasa ity vahiny
Dia hitohy ny gidragidra handrakotra “iny lalana iny”!

Tena ho avy ilay nandrasana, irariana ho tonga soa,
Hitondra hery vaovao sy fampiraisana tokoa,
Ka tsy ho fifalia-mandalo, tsy izay no tarigetra,
Fa ny hananan’ny vahoaka fiadanana mitoetra.

Tena ho avy ilay nandrasana ka toa miova ny tanàna.
Efa tsara petrapetraka ny amin’izay ho fitsenana.
Faniriana dia ny hoe hitohy hatrany ny hafanana
Fa tsy ho endrika eto ivelany hanafenam-pahantrana !

SEDERA RAVALISON (20-08-19)