Ezaka madiodion’ny CUA sy ny mpiasa – Lalana rarivato 200m eny Tsiadana ary 250m eny Amboditsiry

Vita 90% ireo lalankely natao rarivato eny Tsiadana sy Amboditsiry

Nijery ny famaramparanana ny asa androany ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Vita 90% amin’izao fotoana izao ireo lalankely sy lalana any an’elakelantrano natao rarivato, nampijaly ny mponina teo aloha, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra eto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Nijery ny famaramparanana ny asa teny Tsiadana Boriboritany faha-2, sy teny Amboditsiry Boriboritany faha-5 androany maraina, ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, nahitana ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Olivier Randrianarisoa, ny talen’ny asa vaventin’ny CUA Henri Ratovohery, ny delegen’ny Boriboritany faha-2 Naivo Rahamefy sy ny delegen’ny Boriboritany faha-5 Rakoto Richard Emmanuel.

Lalankely sy lalana tany teo aloha, na vita rarivato ihany fa tsy voarafitra tsara, ireo natao rarivato ireo. Ny sisindalana dia mbola noravahana zaridaina kely misy voninkazo ihany koa. Ireo mpiasa ao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no manatanteraka ny asa, ny fitaovana ampiasaina sy nampiasaina dia ireo vato nalana tamin’ny fanamboarana ireo lalam-pirenena miditra sy mivoaka ny renivohitra.

Teny Tsiadana dia lalana sy lalankely mirefy 200 m no natao rarivato, teny Amboditsiry indray dia lalankely any an’elakelantrano mirefy 250 m no natao rarivato. Afapo tamin’ny fahatsaran’ny asa ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, nambarany fa ezaka madiodion’ny CUA sy ny mpiasa ao aminy no nahavitana izao foto-drafitrasa tsara kalitao izao. Ny lefitra voalohan’ny ben’ny tanàna Olivier Randrianarisoa indray dia niantso ny mponina hikojakoja izao foto-drafitrasa tsara, vitan’ny kaominina izao. Nankasitraka ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ny CUA, ireo mponina eny Tsiadana sy Amboditsiry, amin’izao lalana sy lalankely vita rarivato nataon’ny fiadidiana ny tanàna izao.

FB CUA