Matahotra ny fitondran-dRajoelina – Foanana ny fifidianana ben’ny tanàna

Manahy mafy ny tsy hahatafita ny teti-dratsy fangalaram-bato mahazatra ny fitondran-dRajoelina amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna izay nokasaina ho tanterahina atsy ho atsy amin’ity taona ity, indrindra moa fa ny fifidianana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo. Notsiphahany ny fitondrana tsotra izao ny fandaminana ara-potoana izay naroson’ny CENI, ka any amin’ny fotoana tsy fantatra amin’ny herintaona indray aloha no ho atao mandra-pahitan’izy ireo paikady hafa.

Etsy andaniny dia kasaina hovàna koa ny lalàna mifehy ny antoko mpanohatra izay efa voasoritra mazava fa ny fampiharana azy no sisa. Tsy mahatoky ny fahefana eo-ampelantanany ireo mpandroba ka isaky ny mandroso hevitra ny filoha Marc Ravalomanana dia mipatitaka ny mpiara-miombon’antoka amin-dRajoelina, hany ka manao ny tsy fanao.
Dia mitohy ihany ny fitantanana gaboraraka satria amin’ny 22 septambra izao no tapitra ny fe-potoana nomena ireo ben’ny tanàna sy ny mpiara-mitantana aminy. Dia ho ampiasina indray ny pitsopitsony amin’ny lalàna mba haminganana… ary hampinànana ny IEM.

L’Express de Madagascar – Elections – Les communales ajournées sine die