Parking Anosibe – Mamporisika ny olona hikomy ny fitondrana Rajoelina

Rajaonarimpanontsana

Ankatoky ny fifidianana Ben’ny Tanàna indray ny firenena ankehitriny dia korontanin’ny fitondrana Antananarivo Renivohitra. Mihevitra ny ao ambony ao, dia ny fitondran-dRajoelina mpanongam-panjakana tsy tia fandrosoana izany, fa ny fanaovana amboletra sy fanaratsiana ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana sy ny filoha Marc Ravalomanana, no tetika handrombahana ny toeran’ny Ben’ny Tanàna, ka anirahan’izy ireo «Gros Bras » mamotika ireo fotodrafitr’asan’ny Kaominina, tahaka ny nitranga teny amin’ny Parking Anosibe.

Tsy tahotra tsy henatra fa dia ravan’ny mpomba ny fitondrana tsotra izao ireo fotodrafitr’asa napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Itondrana « Megaphone » iantsoana olona mba hikomy. Ny avy ao amin’ny fitondrana no manome ohatra ratsy eto amin’ny firenena, ka tsy atao mahagaga raha hatramin’ny tobin’ny mpitandro filaminana any amin’ny faritra aza dia tafihan’ny olona amin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka. Loza, loza tsy roa aman-tany no mitranga eto Madagasikara.

Isan’ny barofo nataon’ity fitondrana ity ihany koa ny fakana an-keriny tanin’olona, toy ny tetsy Andohatapenaka. Izay ihany koa no mitranga amin’ity tetik’asan’ny filoham-pirenena « Tanamasoandro » ity. Alaina tsotra izao ny tanin’olona ary efa maro ireo mponina no mitaraina saingy eo am-pelatanan’ny mpanakorontana sy mpanongam-panjakana moa ny fitondrana, koa inona no azo atao! Mahakasika ity fandravana sy fanaovana barofo ity, dia tokony ho fantatry ny fitondrana, fa na fanjakana aza dia eo ambanin’ny lalàna avokoa ka tsy maintsy manaraka ny pitsopitson’ny rafitra vao afaka maka tanin’olona, na fotodrafitr’asa iombonan’ny mponina. Tany tan-dalàna, izany no ambetin-dresaka kanefa ny mifanohitra amin’izay no iainan’ny vahoaka.