Filoha Rajoelina – Naka rivotra, tsy miraharaha izay fahorim-bahoaka

Rajaonarimpanontsana

Ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny vahoaka Malagasy, mbola mahita aleha any ivelany ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Fakan-drivotra matetika no vita raha tanisaina ny fivoahany mankany an-dafin’ny riaka. Ny farany teo dia tatsy amin’ny Nosy Maorisy, nanatrika ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy ity filohan’ny mpanongam-panjakana ity. Tsy misy maharatsy izany, fa zavatra tokony ho vitan’ny ministry ny tanora sy ny fanatanjahantena ny fanatrehana izany.

Nambarany fa hiaro ny handraisan’i Madagasikara ny lalaon’ny Nosy amin’ny fotoana ho avy no anisan’ny nandehanany tany. Fandraisana ny lalaon’ny Nosy ve no maika, sa ny ady amin’ny fahantram-bahoaka? Raha dinihana ny zava-misy dia sahala amin’ny tsy misy filoha i Madagasikara fa dia tsy maintsy mangataka any amin’ny firenena any ivelany hatrany. Milokaloka foana anefa ny Filoha Andry Rajoelina sy ny fitondrana tarihany, fa raha mbola ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena ireo no iankinan-doha dia tsy ho afa-trosa mihitsy ny Malagasy.

Ankehitriny anefa dia mandohalika amin’ireo Banky any ivelany sy ireo firenena matanjaka ny filoham-pirenena. Izy ihany no mitsipaka ny teny nambarany. Izay no antondiany mivoaka an’i Madagasikara, ankoatra ny fakan-drivotra. Marina fa manan-jo amin’izany ny tenany fa tsy mety kosa raha ny volam-bahoaka no atao tantely afa-drakotra, noho ny tombontsoa manokana. Rehefa mivoaka tahaka izao ny filoham-pirenena dia vola be no mivoaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana, tsy tahaka ny olon-tsotra. Raha atao ny kajikajy dia saika isan-kerinandro izany fandehanana any ivelany izany. Ny raharaham-pirenena eto an-toerana mitarazoka, hany ka sahiran-tsaina ny tsirairay mitady izay harapaka. Mitrongy vao homana, hoy ny fiteny izay. Ny olobe lasa maka rivotra sy mitsotsotra soa aman-tsara. Tsy atao mahagaga raha tratra aoriana foana isika eo amin’ny lafiny fampandrosoana.