CUA sy ny AII – Heverina hatao ho tanàna mpirahavavy Antananarivo sy Jerosalema

Isambilo

Heverina ny hanaovana ho tanàna mpirahavavy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny tanànan’i Jerosalema any
Israel.

Tonga eto Madagasikara amin’izao fotoana ny iraka avy
amin’ny AII : African Israel Initiative, na Fikambanam-piaraha-miasa eo amin’i Israel sy ny Afrikana, notarihan’ny Pastora Jostein Skevik, izay tale misahana ny departemanta momba ny baiboly ao amin’ity fikambanana ity. Nihaona tamin’ny ben’ny tanànan’Antananarivo
Lalao Ravalomanana izy ireo ny talata teo, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely. Nanotrona azy ireo tamin’izany koa ny avy amin’ny AIIM, na ny African Israel Initiative Madagascar, tarihan’ny Pastora Samoela Georges. Dinika savaranonando momba ny hanaovana ho tanàna mpirahavavy ny renivohitr’i Madagasikara sy i Jerosalema no natao tamin’izany, hisy avy eo ny fitondrana ny hevitra tapaka any Israel amin’ny tena hirosoana amin’ny fifamatorana eo amin’ny tanàna roa tonta.

Ny AII dia fikambanana kristiana tsy miankina amin’ny fiangonana, manamora ny dingana ho fiaraha-miasa amin’ny any Israel, manamora koa izy ireo ny fomba hahafahana mitsidika ny any Jerosalema sy ny avy any mankaty. Any Jerosalema no misy hopitaly tsara indrindra manerana izao tontolo izao, lasa lavitra izy ireo amin’ny sehatry ny teknolojia vaovaon’ny fifandraisana, avo lenta ny resaka fanabeazana, heverina noho izany ny hampiharana izany amin’ny lafiny sosialy sy ny fampandrosoana ny mponina eto an-drenivohitra atsy ho atsy.