ALEFA BAREA!

Alefa barea fa io re no antsika.
Tsy japijapian’ny mpanao politika.
Mba mila aranty sy aseho eto an-dasy
Fa tia tanindrazana ny Malagasy.

Alefa barea fa io re no antsika.
Ny lalany hatreto tsy nisy tomika.
Tsy folaky ny hafa, tsy hainy resena
Fa omby mahery no sady mitrena.

Alefa barea, izany no hiaka,
Dia hiakan’ilay omby tena masiaka.
Na kely aza, inoana fa dia hampandositra
Sady efa vonon-kandavo ny vositra.

Alefa barea fa io re no antsika,
Ary ny lokan’ady aza avela hipìka.
Ny gasy rehetra no manandra-peo
Sy manohana zato isan-jato anareo.

SEDERA RAVALISON (07-08-19)