BE NO TSY HO TONGA INTSONY

Tsy fantatra mazava fa nosavihin-doza
Ka nihosin-dra indray ny fitondrana foza.
Tsy sambany tsy akory ny zava-toy izany,
Fa toa nisesisesy hatramin’ny nitondràny.

Tsy hay na mila ra ny zavatra tompoiny,
F’izao no zava-misy tsy tokony hohadinoiny:
Rehefa misy fety, lanonam-pivoriana,
Dia ra hatrany hatrany no hita mikoriana.

Tsy maintsy izany ve no zavatra hihatra,
Ka hisy hatrany hatrany ny maty sy maratra?
Moa tsy azo nosorohina sa tena iniana atao
Raha vao manomam-pety izao fitondrana izao?

‘Reo olona voatendry, na ny olona nofanina
No tsy ampy traikefa raha toa ka hovantanina,
Sa ny olona eny ambony no tena tsisy hafitsoka
Ka ‘zay atao rehetra tsy mety fa mipitsoka?

Manjary mahimahina ‘reo tia mizaha lanonana.
Matahotra korontana, manahy ny fifandonana,
Ka farany aza angamba dia tena tsy ho avy
Rehefa misy fety iantsoana mpianakavy.

Satria ny fanahiana no lasa be dia be
Hoe: “hisy ra indray tsy maintsy hitete”,
Ka tsy hahataona intsony izay mety ho fialamboly
Omanin’ny mpitondra fehezin’ny devoly!

DADAN’I ZINA (28-06-19)