EDITO 29 Jiona – Fampandrosoam-pirenena: “Jereo aloha ny any an-tsikinana vao miady varotra”

Sôh’son

Misy fiteny malagasy somary manitsinitsy ihany saingy koa manao izay andinihan-tena manao hoe: « Jereo aloha ny any an-tsikinana vao miady varotra ». Milaza ny amin’ny tokony hijerena ny zava-misy marina eny amin’ny tena aloha, na iainan’ny tena, izay vao tokony hihevitra ny hanakatra zavatra hafa indrindra amin’izay sarotra takarina tiana ho tratra.

Niaraha-nahita ny zava-noezahina notanterahina teto amin’ny firenena nandritra ny niainana iny vaninandro nanamarihana ny tsigerin-taona faha-59 niverenan’ny fahaleovantena iny. Nisy ny faritra na tanàna noezahina nolokoina maimaika hisehoana amin’ny vahiny ny fiovana misy. Natao ny fampisehoana teny an-kianja nandritra ny fetin’ny foloalindahy ny zava-baovao samihafa indrindra ny fitaovana. Amin’ny lafiny iray tsy dia misy maharatsy izany loatra ary natao aloha izay nanakonana ny “lamba maloto” teto. Fa ny nanaitra ny sain’ny mpandalina dia ny filazana fa afaka hahavita, na hihoatra an’i Roandà i Madagasikara. Izay indrindra no ilazana ny amin’ny hoe: “Jereo aloha ny any an-tsikinana vao miady varotra”. I Roandà dia firenena nahavita dingana be taorian’ny ady an-trano tany aminy ary vitany tanteraka ny fampihavanana ny samy mpiray fireneny. Tsy misy intsony ny fifankahalana sy izay fomba fisainana lomorina mety hanakantsakana ny fampandrosoana. Ny antsika eto hatraiza izay fifotorana amin’ny fampihavanana izay?

Iaraha-mahita tsara ny fihetsiky ny fitondrana momba izany, fa toa tsy miraika firy akory. Vao mainka aza nanahirana ny sain’ny maro ny filazana ny amin’ny fiaingan’ny lamasinina ka izay mandeha, mandeha, ary izay tsy vonona tsy maninona na hitazana fotsiny eny ivelany, ary tsy olana na dia tsy handeha mihitsy aza. Tsy hita tao anatin’izany ny finiavana handresy lahatra amim-pahendrena ny rehetra tsy ankanavaka. Eo dia efa tsy ho vita velively izay nataon-dry zareo Roandey. Vao mainka ihany koa ny fomba fiasan’ny fitondrana tarihin’ny filohany tena hafa mihitsy izay sarotra tanterahina eto amintsika noho izay zava-misy iainana sy noterena iainana eto izay. Tsy vitan’ny vava io, fa mitaky fiovàna fomba fisainana sy fiasa eo anivon’ny fitondrana tanteraka, ary miankina amin’izay ny fiovàn’ny fomba amam-pihetsiky ny vahoaka, ka hampisy fiovàna eto amin’ny firenena. Hatreto anefa zary mbola sarotra izany.