EDITO 22 Jiona – Zava-dehibe ny mahaleotena na mbola sarintsariny aza

Helisoa

Andro vitsy sisa dia ho tonga ny fetin’ny fahaleovantena izay andro lehibe ho an’ny vahoaka Malagasy, niala teo ambany vahohon’i La Frantsa nanjanaka an’i Madagasikara nandritra ny taona maro.

Maro ireo namoy ny ainy vokatry ny tolona nataon’ireo ray amandreny tany aloha izay nahafatesana Malagasy aman’aliny. Ankehitriny manana ny fahaleovantenany i Madagasikara, na mbola sarintsariny ihany aza satria mbola ny mpanjanatany Frantsay no mibaiko ireo mpitondra. Amin’izao fetin’ny niverenan’ny fahaleovantena izao aza dia ho avy hanao matso eo Mahamasina ny miaramila frantsay avy atsy La Reunion. Ho faly ve ireo ray aman-dreny niady ho amin’ny fahaleovantenan’i Madagasikara maheno izao vaovao izao raha mbola velon’aina izy ireo? tsia dia tsia ny valiny. Tsy hoe manome tsiny be fahatany satria efa miova hoy ianareo ny fiainana amin’izao taonjato misy antsika izao hoe tsy afaka miolonolona amin’ny firenena eto ambonin’ny tany isika, saingy mba misy kosa fanajàna ireo namoy ny ainy ho an’ny fahaleovantenan’i Madagasikara tamin’ny 1947 e!

Fa na izany aza ny zavamisy, fety ny andro araka ny voalaza tetsy ambony, ka na ao anatin’ny hevitra samihafa misamboaravara aza ny Malagasy dia ataony ho zavadehibe izany fetin’ny fahaleovantena izany, izay hiarahany amin’ny fianakaviana. Zavadehibe izany hoe mahaleo tena izany, na mbola sarintsariny aza.