ATAO MIARA-DALANA INDRAY VE NY SARY ?

Atao miara-dalana indray ve ny sary
Mba hoenti-maneho f’ianareo dia mitovy?
Tsy pahina akory izahay na marary
Ka dia hampitovy vomanga sy ovy!

Atao miara-dalana indray ve ny sary
Mba hoe ilazana fa samy mafoaka?
Tsy mety raha vary sy tsimparifary
No an-karona iray fa mamita-bahoaka!

Atao miara-dalana indray ve ny sary
Mba hoenti-maneho f’ianareo samy tsara?
Tsy hiova ho maitso ny volomboasary
Ka aza disoina ’zareo ny tantara!

Atao miara-dalana indray ve ny sary
Mba hoenti-manarona ireo hadalana?
Ny ratsy natao mbola hibaribary
Fa io tsy ao afenina na koa fafàna.

Atao miara-dalana indray ve ny sary
Mba hoenti-mampiakatra ny tombanao?
Sao dia tetika ambany efa tena fanary
Tsy mendrika intsony ’zao taonjato izao!

DADAN’I ZINA (20-06-19)