ARIARY ZATO MONJA VE ?

Ariary zato monja ve no hany azo nampidinina
Ary mandra-pahoviana no hijanona eo ny vidiny?
Azoazonay an-tsaina fa tsy ho hainao ampanginina
Izany senton’ny vahoaka noho ny zavatra mangidiny!

Ariary zato monja ve no hany azo nampidinina?
(Efa tena tsisy vidiny izany ariary zato izany!)
Hatreto dia mihisa-dava izato ianao ralamasinina
Izay malaza ho be vitesy nefa toa “tsy tafa” hatrany!

Ariary zato monja ve no hany azo nampidinina?
(Te hiafina aho sakaiza fa dia kely , tena kely!)
Izay ilay “vava lasa aloha” sy nofinofinao ririnina .
Hay ny zava-toy ireny tsy hampandroso velively!

Ariary zato monja ve no hany azo nampidinina?
Ary izay no mba kadoa hoenti-miatrika ny fety?
Ny eboebo sy hambom-po dia tsara raha mba ampanginina
F’efa tena diso toerana ka dia hita fa tsy mety!

Ariary zato monja ve no hany azo nampidinina?
(Nefa lava anie ilay dinika, saika tsisy fiafaràny!)
Iza marina ary izao no tena hoe mba notsimbinina
Fa raha hoe ariary zato dia toa mampihomehy ihany!

DADAN’I ZINA (20-06-19)