Maurice Tsihavonana † (Part II) – “… ny tenako no mission fa diso cible ry zalahy”

#RÉVÉLATIONS #MAURICE #TSIHAVONANA (part II) – “Baina ah ny tenako no mission fa diso cible ry zalahy…”

“An!!??? Ry Maurice” hoy aho, yeh hoy izy, nangiana ary lasa lavitra ny heritreritro hoe, hay moa izy efa niteny hoe ” plus akaiky ny fifidianana, plus betsaka ny risque baina”

Marihina, nihaona matetika izy sy Pierre Houlder, ary avy any i Maurice dia mihaona amiko na zaho mankany aminy na izy mankany an-tranoko, ary ny mission an’i Houlder @ io dia hi-négocier an’i Maurice.

Tsy nanaiky mihitsy i Maurice, fantatr’i Andry izany ny zavatra hitranga aminy.

Ity misy tantara zavatra nitranga t@ tetezamita, mety tsy ho tadidinareo fa nitranga izy ity, ary olona efatra tena tompon’ny baiko sy ny fanampahana no tompon’andraikitra voarohirohy fa namboarina ny enquête.

Alefa ary, manomboka isika eto, tandremo fa mafana be manomboka eto.

I A.M dia olona niara niasa akaiky tamina ministra iray tao @tetezamita izy, ary tena akaiky dia akaiky izy dahy. Nisy fotoana io ministra io dia nanao ny enquêtes momban’ny réseau sy filières bois de rose ary tratrany miaraka @ porofo izany satria nidina ifotiny izy nanao fanadihadihana. Tratrany hoe iza avy ireo #TELO #LAHY #GOAVANA #mpanondrana sy mpanome baiko #antsokosoko ny bois de rose, sy ny ministre mpanangona tany, tanin’ny vahoaka amidy @ karana, niteny io ministra io t@ anniversairen’i A.M* tao an-tranon’i A.M, bitsibitsika mangina fa ho apoakany no sady ho avoakany fantatry ny vahoaka izy no mpanapotika firenena, notononiny t@ izany izy efa – dahy.

Zavatra roa no tena natahoran’i andry rajoelina io ministra vehivavy io, dia noho izy tsy mitamby harena, ary niakatra be ny taux de popularité n’io ministre io, ary ny farany dia ity no tena gravy, nisy fuite fa i Ministre Nadine Ramarosaona dia manana dossiers brûlants avec preuves.

Nisy niteny ny Ministre Nadine t@ izany hoe “hajanony izany intention’nao hanao ampamoaka izany, fa tsy mety @ filohan’ny tetezamita hono izany.” tsy nety izy no sady nandahy, tsy vitan’izany nahazo menaces de mort sy intimidation maro izy.

Nandeha nakany Sainte Marie moa ny Ministre Nadine Ramaroson, dia fantatsika ny tohiny, maty t@ accident maquillé izy satria nipoaka ilay vedette nitondra azy, izay samy mahalala isika fa ny gas oil sady tsy inflammable no tsy mipoaka irery.

Tadidiko, teo am-panaovana dômi izahay sy ry A.M ary namana hafa no naheno an’io vaovao io, avy @antso an-tariby, vao naheno i A.M mbola tsy tapaka ny téléphone dia sady nitomany be izy no niteny hoe : ” vitan-dry zalahy ny mission, tsy namelan-dry zalahy raha tsy matiny ny anabaviko…” nigogogogo be izy, izahay fanina tsy mahalala hoe iza no nisy namono, avy eo niteny izy hoe ” baina ah novonoin-dry zalahy ny anabavintsika”, iza oah ?

” i Nadine baina ah”

Taty aoriana rehefa, nifamela heloka izahay sy i Maurice, dia naverina tamiko io tantara io, ka izao no version nomeny. Marihina fa i Maurice sy i Houlder dia olona akaiky an’i Andry ary miara mivory aminy foana alohan’ny handeha hanao fandaharana AOKA HAZAVA.

Hoy i Maurice,
” tamin’izany isaky ny hanao émission izahay dia miteny foana izy” hoe : “… Maurice poteho io, poteho io…”
“tsy azoko mihitsy ny dikan’ilay hoe poteho Nadine Ramaroson” hoy izy nefa ministrany ilay olona.
” tsy azoko no tsy hiantsoany azy dia teneniny” hoy i Maurice, ” izaho no ampiadiany @ i Nadine, izay hitako fa correcte”
“ny fantatro hoy i Maurice, dia tsy zakan’i andry mihitsy fa hoe hanao ampamoaka i Nadine.R, ary fantany hoe inona io ampamoaka io, resaka BDR sy tany ary izy tafiditra @ io satria manana enregistrement resak’ireo gasy sy ireo sinoa hono i Nadine, ka hiaraka @ Voary gasy sy ny Transparency izy no hanao an’io, ka mila sakanana”
Hoy ihany i Maurice :”… Ahoana moa ry baina no ahavoasakako an’izany, ilay olona ministra, tsy misy afa tsy izy no afaka miantso sy miteny azy…”
“Fa ahoana oah no nahafantaran’i andry fa hanao ampamoaka i Nadine?”, hoy izy ” baina koa dé naïf, nisy olony tao @ ministeren’i Nadine, ary io olona io no te-haka ny placen’i Nadine dia io no nitantara tamin’i andry”
Tadidio ry mpamaky, raha tadidinareo, dia nisy mpiara miasa akaiky @ i Nadine. R vao maty izy dia nandeha nisava ny biraony ary nampitaraina ny fianakaviana.

Ity misy lien tena détaillé entre autres

http://alainrajaonarivony.over-blog.com/article-madagascar-premieres-revelations-sur-l-assassinat-de-nadine-ramaroson-110723183.html

Raha tadidinareo fa saika tsy nety nanaiky novangian’ny fitondrana ny fianakavian’i Nadine.R.

ireo rehetra ireo no fantatr’i Maurice dia hoy izy tamiko ” en danger aho baina, izaho tsy matoky an’i Houlder intsony” hoy izy fa ahoana oah,
” tsy ahatohitra ny manipulation sy pression’i andry izy, en plus Houlder mila vola, en danger aho baina”
“Raha tena matahotra ianao maninona tsy manaiky miaraka aminy indray? “, hoy izy sady :” tezitra olona mpanambany olona iny ve
baina ah, mafy anie ny nahazo an’i Camille Vital t@ iny resaka kôzy cocote iny eh” fa iza no tompon’ny kôzy cocote* oah? ” izy mitsamy” hoy izy, “ao anie misy fivoriana tonga dia Tana daholo no premier cercle eh” :

Dia samy mijery isika jereo ny vcomposition’ny gouvernement, ny nomination’ny sociétés d’Etat CNAPS, KRAOMA… Ny ministere kelikely vola an’ny cocote ny be vola an’ny terak’Antananarivo.

Izay no nahatonga azy no hamafisina ny fiambenana azy, ka nanomezan’i Hery.R garde du corps roa be zao ho azy, izay matory ao an-trano, fa tsy any ambany. Tany ambany no novitaindry zalahy i Maurice chauffeur.

Ity koa tantara fahatelo alohan’ny hidiratsika, ny fomba nahafaty an’i Maurice.T.

@ maha-pirahalahy moa rehefa misy danger dia mifampilaza, tonga tao amiko i Maurice, somary niafina izay sy déguisé izy tonga tao amiko indray hariva hariva hoy izy :

” baina, antsoy na mankanesa ianao maika any @ professeur Albert Zafy…” taitra aho fa ahoana oah? ” io fihetsiketsehana ataonareo io, tsy tantin-dry zalahy ny ampamoaka ataon’i Prezida Zafy Albert, mandehana teneno izy fa tena tsy hitsitsy ry zalahy fa izay no baiko azo”
” IZAY KAOTINY EO KAOTINY hono, sady motivé be ry zalahy miaramila fa matevina ny sauce lasa any” izay ilay izy.
Nangataka nihaona t@ Prezida Albert Zafy io hariva, izahay moa, tena akaiky dia akaiky ny fifandraisanay mianaka, :” tongava aty zao ianao” hoy izy.
No teneniko i Prezida, dia hoy izy :” vonona ny ho faty ho an’ny fireneko aho, tsy maintsy avoaka ny marina, zaho tsy mavozo izany menace izany hoy izy”
Tonga tokoa ny fotoana nandeha ihany i Prezida, niantso ahy i Maurice sady niteny ahy hoe : ” manasa tanana aho baina an”, inona tokoa no nitranga :
REHEFA TONGA TEO @HJRA NT FIARA NITONDRA AN’I PREZIDA TONGA DIA GRENADES LACRYMOGÈNES NO NIPOAPOAKA TEO, NISY IRAY T@ IREO REHEFA NITONTONA TEO AMBONY CAPOT DIA NILATSAKA TENA AKAIKIN’NY FIARA MIHITSY NO NIPOAKA…… SEMPOTRA MAFY I PREZIDA R@ ARY VOATERY NIALA TEO HAINGANA, NISY FIANTRAIKINY T@ FAHASALAMANY IO ARY TENA NATAHORANA NY AINY T@ IO nandritry ny andro vitsivitsy.

https://www.madagascar-tribune.com/Des-grenades-lacrymogenes-et-5-personnes-arretees.html

Mbola hitohy ny alakamisy zao

Maro ianareo no manontany hoe maninona zao vao navoaka izany : no fitandremana sy ny sécurité.
Misy koa tsy lazaina ny anaran’ny vavolombelona fa manahirana no sady fiarovana ihany koa

Fleury Rakotomalala