Maurice Tsihavonana † (Part I) – Andry Rajoelina sy ireo akaikiny

#RÉVÉLATION #MAURICE #TSIHAVONANA. (part 1)
#
ANDRY RAJOELINA sy ireo olona akaiky azy.

Marihina rehefa tsy mahataty ny marina aza mamaky akory.

Izahay sy ny mpiray tampo M. Tsihavonana dia mpifanolo bodo rindrina ary efa tena ela be no mpinamana, manana zoky izy hoe Ernestin Tsiambakaina, nampianatra ahy io ary prof de Gym t@ izany.

Taty aoriana samy niha lehibe dia tsy nifanadino, ary dia nifankatia sy nifanjohy teny foana, taty aoriana dia ny zandriny Harifidy Ramandraibe (mpanao gazety Tatasiaka ary kapo-tandroka, IBC zao) dia nanaraka ahy teny na aiza na aiza nalehako ary dia lasa toy ny zandry sy zanaka an-trano.

T@ fitondran’i A.Rajoelina ny tetezamita moa samy nahita isika fa nanohana azy i M.Tsihavonana ary anisan’ny tena natokisan’i A.Rajoelina izy t@ izany, satria matetika izay toro-hevitra stratejika omen’i tompokolahy azy dia tanterahany avokoa.

Ny tenako moa nanohitra iny fanonganam-panjakana iny na dia tsy nankatoha ny fomba fitantan’ingahy Ravalomanana ny firenena, satria nahatsapa aho fa tsara ary tena tsara ny resultat n’ny mandat voalohan’i Pdt M.Ravalomanana fa lasa nitsinjo ny tenany manokana izy ny mandat faharoa dia nanohitra azy ny tenako.

Na izany aza tsy nekeko ny hanonganana azy ary indrindra fa i A. Rajoelina no hoe ho solony. I A. Rajoelina dia fantatro @ atsinjarany ny momba azy rehetra sy ny ray aman-dreniny, torak’izay koa i Mialy vadiny satria ny reniny dia anisan’ny mpifaninana ara-barotra t@ tenako t@ secteur produits chimiques et engrais, ramatoa tsotra sady mahay mifandray aman’olona.

I A. Rajoelina indray dia ny neveux sy ny zaodahiko no tena namany akaiky nisy hafa koa ireto no tadidiko : Faniry (Paris), Bobo (efa maty, izay mbola tsy mazava marina) ary i José na i Jeso kely io no zaodahiko.

Tsy nanaiky an’i Andry (na Z’ANDRY no fiantso ko azy hatr@ izay) aho satria hoy aho fantatro tsara izy, omeko ohatra ianareo :
. Manao soirée izy sy ny namany akaiky enina eo ho eo ry zareo, tsy mandry andro tsy mandry alina ry zareo manomana ireny soirée ireny ary nisy nahafoy fianarana mihitsy fa hoe ho atao carrière hono, nisy soirée iray izay natao tao @ Star @ vahilavan’Ambohimanarina, feno nanitrikitrika ary io soirée io dia tsy nanomboka akory dia efa tombony daholo ny fidirana, no lazain’i Andry fa 75.000.000fmg fotsiny no vola azo ka dia nomeny 1.500.000fmg avy ireto akamany asa nandritra ny telo volana tsy mandry andro tsy mandry alina no sady nanary fianarana, tsy afaka nandahy ary tsy afaka niteny satria izy no leader du groupe. Tany dia efa mpanambaka i Andry ary mazava ho azy fa ho ambakainy daholo ny malagasy. Maromaro ny tranga fa tsy izay no sujet eto, fehiny tsy nety amiko mihitsy izy ka nanohitra azy ao.

Na dia tsy nitovy aza ny hevitra taminay sy i Maurice (io koa no fiantsoko azy) dia nisy foana ny fotoana fiarahanay isaky ny asabotsy miaraka misakafo atoandro, na mihinana vary amin’anana sy kitoza vao maraina na ao amiko na tany aminy, diaceo no fotoana fifanakalozana samy mpirahalahy.

Taty aoriana, nisy nialona izany fiarahana izany koa dia nanjary foana satria no tenenin’i Andry direct i Maurice hoe : “TSY DIA METY LOATRA I Maurice miaraka @ i Fleury (io no fiantsoany ahy), izy anie manohatra antsika eh” novalian’i Maurice izy hoe : ” izahay efa mpinamana hatr@ mbola kely Prezida, tena ho sarotra izany”
Taty aoriana niha nasiaka i Prezida ary manao teny tsy voa hevitra, dia nanapa-kevitra izahay najanona ny isaky ny asabotsy.

Ny tenako moa nanohy ny fanoherana niaraka t@ mpanao gazety namana izay leo monina avy tany @ Andry tany dia nanatevina ny fanoherana taty amiko, nanohana ara-kevitra aho no sady ara-bola ihany koa. Nanangana ny émission tatasiaka aho t@ izany izay i Harifidy (io koa no fiantsoako azy) sy i Naina no tompon’andraikitra.

Tena tsy tantin’i Andry Rajoelina ireo tirs croisés ireo satria ny marina rehetra no navoaka batsilana t@ izany, tena tsy zakany, manomboka eto ny révélation.

Nanantona ahy i Maurice t@ izany ary niteny tamiko hoe : ” baina ah ianao manohitra tsy mampaninona, fa hajanony ny fiarahanao @ Lalatiana * sy i Fidel, fa ho grave io, manjary tsy afaka miaro anao intsony aho…” taitra be aho fa misy inona oah? Tsy namaly fa hoy izy : ” isika mpirahalahy, samy petahin’i Lalatiana sy i Fidel na izaho na i Andry, tandremo fa ho gravy he io baina”
*Lalatiana ministre @izao fotoana izao io no fiantsoan’i Maurice azy, ny ahy koa.
Inona tokoa no nitranga, tsy ampy herinandron’iny, nisy niantso aho indray atoandro, namana akaiky io : ” zokibe, baina, izaho zandrinao, sarotra ho ahy ny hisambotra anao fa mba miangavy aho andana aloha miataka kely…” nantsoiko teo no ho eo i Maurice, tsy nandray mihitsy izy t@ efatra izy niantso ary niteny hoe :” mangala mesure fa nanapa-kevitra i Andry fa hosamborina ianao… ”
Iny ora iny aho no nividy billet ary tonga dia nandeha taty andafy ary nijanona roa volana taty satria tsy maintsy nody nikarakara ny mariziko tany Madagascar. T@ izany moa tena latsaka ambany be ny taux de popularité n’i Andry ary no tenen’i Maurice izy hoe hiteraka olana ho anao raha hisambotra azy ianao satria aza adinonao fa olona akaiky ny professeur Albert Zafy izy ary izy no anisan’ny nikarakara ny lobbying nahatonga an’i Omer Beriziky teo, ary izy koa dia akaiky an’i premier ministre Omer Beriziky.

Marina daholo ireo, nanomboka teo dia fingafingana maro no nitranga, sabotages tsy lazaina intsony.

Rehefa, tsy teo intsony i Andry ka lany ingahy Hery Rajaonarimampianina, dia hoy i Maurice, “izy ity anie ry baina raharaham-pirenena fa tsy capricen’i Andry no tanterahana eto eh”
Nanohana sy niaraka t@ Hery (io koa no fiantsoako azy, namana efa ela izy) i Maurice.

Tena tsy tantin’i Andry sy ny tariny io fanapa-kevitr’i Maurice koa nanomboka nahita olana koa izy, satria maro ny sabotages nataon’i Andry na dia misy aza ny negociation hoe miverena.

Tsy nanaiky niverina t@ i Andry i Maurice satria nisy lanonana nataon’i Andry indray andro dia nolazaina t@ izany fa tsy mahazo misy ” #cocotes ” invités @ io lanonana sy fivoriana io. Ary dia nisy tokoa io fivoriana io ary tsy nantsoina i Maurice sy Houlder.

Tsy nahataty i Maurice ary dia nanapa-kevitra ny hiaraka @ i Hery Rajaonarimampianina izay filoham-pirenena t@ izany.

Hoy i Maurice, rehefa niala tsiny tamiko izy t@ fanaratsiana nataon’izy sy Houlder ahy t@ fandaharana aoka hazava : ” baina, je te dois la vérité… Tsy rarahako na avoakan’i baina aza satria marina…” Izao manko hoy izy ” fantatro fa mamono i Andry sy ireo ekipa akaiky azy ireo, ka lazaiko anao ny tena marina rehetra”
Hoy aho taminy, sao dia hamono anao izany?
Dia hoy izy : ” fantatrao fa tezitra aminy aho zao noho izy @ iny resaka kôzy cocote iny. Marina io terme io efa henoko t@ ilay primaire teny Andraharo hoe :” tsy azo atao i Camille Vital no mandresy eo, fa tsy mety raha lasan’ny côtiers ny fitondrana” efa henoko io. Ary en plus hoy izy tsy tantiko hoy izy : ” izaho forcény hanaratsy ny namako, i baina sy i Lalatiana”
Marina io avy @ Maurice no nahalalako an’i Lalatiana. Ka hoy izy : “… possible aho hoy izy mety ho vonoin’i Andry rehefa tonga ny fifidianana satria rehefa ho avoakako ny marina momba azy dia ho potika izy…”

Tena marina io, potika tokoa i Andry satria voalohany i Maurice nahalala ny zavatra rehetra nitranga tao andapa : vola, bdr, douanes, jirama, madarail, sonapar etc….

Tsiahy, raha nahatadidy ianareo dia nisy nanafika ny tranon’i Maurice Tsihavonana efa bolana alohan’ny élection dia maty tao t@fomba feno habibiana by chauffeur n’i Maurice, hoy izy tamiko : “… Diso cible ry zalahy fa zaho no tanjona hoy izy…”

Mbola hitohy… Talata izao

Fleury Rakotomalala