Fitondran-dRajoelina – Mandrangaranga fanakatonana haino aman-jery

Haino aman-jery – Hisy ireo hakatona, hisy ireo havela hisokatra

Rajaonarimpanontsana

Namoaka fampitandremana ny ministeran’ny Serasera, nanome fe-potoana 30 andro ho an’ireo haino aman-jery tsy manara-dalàna sy tsy nahafeno ny fe-petra ahafahana mampiasa haino aman-jery.

Maro tokoa ary tsy azo lavina fa misy ireo Radio, na Gazety, na Televiziona no nisokatra, fa indrindra nandritra ny fitondrana Tetezamita. Ny zava-nisy anefa tamin’izany dia nisy ny haino aman-jery tsy miankina, toy ny Radio TV- MBS, ny Radio Mada, ny Fahazavana ary ny maro hafa nahita faisana mba tsy hahafahan’izy ireo mampiasa ny fitaovana eo am-pelatanany.

Efa maro koa no nodorana sy nopotehana tsotra izao hatrany amin’ny fototra vokatry ny tsy fitovian-kevitra ara-politika hatrany. Betsaka araka izany no nikatona nandritra ny taona maro, lasa tsy an’asa tsy fidiny ireo mpanao gazety ary dia voatery nitady asa tany amin’ireo Radio sy Televiziona ary gazety an-tsoratra hafa izay afaka nanao izany. Nisy mihitsy aza mpanao gazety naiditra am-ponja.

Tetsy ankilany kosa, nanararaotra nanao izay danin’ny kibony ireo mpomba ny fitondrana TGV nanokatra sady nanitatra ny tanjaky ny haino aman-jeriny na dia tsy mbola ara-dalàna koa aza. Fakàna ireo fitaovan’ny hafa nampiasaina manginy fotsiny.

Ilaina ny fanarahan-dalàna, fa tsy rariny kosa raha misy ny mizana tsindrin’ila eo amin’ny samy haino aman-jery, na ho an’ny tsy miankina , tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra io, na ho an’ny haino aman-jery mpanasohaso, sy tsy manao hafa-tsy ny miaro ny tombontsoan’ny fanjakana.