AIZA IHANY ITY SOLIKA MORA ?

Aiza ihany ity solika mora,
Sa ’nareo tena tsy misy hapoaka?
Sao dia resaka mandany rora,
Fa voafitaka indray ny vahoaka?

Tsy mba matotra ny ataonareo.
(Tena resaka lainga eny foana!)
Ny vahoaka efa leo, tena leo,
Fa mandeha dia mandeha ny fotoana.

Hisy ihany ny solika mora,
Ka ho latsaky ny efatra arivo?
Raha tsy vitanareo, miesora,
F’aza zatra ny lainga marivo.

Hisy ihany ny solika mora,
Sa tsy nety ny fifanarahana?
Atsaharo ry saina tanora,
Ny eboebo sy ny fidedahana.

DADAN’i ZINA (08-06-19)