Fifidianana – Mbola ho voaroba indray koa ve ny fahefana ao amin’ny Antenimierampirenena?

Araky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny CENI ao amin’ny tranonkalany (05/06/2019 01:00 – 119mo) dia mahalany depiote 79 ao anaty 145 ny IRD. Izany hoe depiote miisa 7 no ahazoany ny maro an’isa ao amin’ny Antenimierampirenena.

Distrika maro anefa no ahitana fa salan’isa kely dia kely no nibatàny fandresena. Ary raha ny halabato sy hosoka rehetra voatanisa hatramin’izao, ka raha manao ny asany ny HCC dia hanjavona vetivety ireo isa 7 ahazoan’ny IRD mampandany ny lalàna izay tiany ao amin’ny Antenimierampirenena.

Koa dia ho hita eo indray ny tohiny raha efa avy nampandresy tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika ny CENI sy ny HCC, dia mbola hampandresy ny mpandroba indray amin’ity fifidianana solombavambahoaka ity.