EDITO 6 Jiona – Azo raisina fa tsy mitombina

Rajaonarimpanontsana

Fomba fiteny malaza indray izao ilay nambaran’ny Fitsaràna avo momba ny lalam-panorenana (HCC) nandritra ny voka-pifidianana filohan’ny Repoblika manao hoe: “Azo raisina fa tsy mitombina ny fitarainana”.

Niteny izay koa amin’izao fotoana izao ny CENI amin’ireo fitarainana voarainy mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka farany teo. Aty amboalohany, alohan’ny famoahana vonjimaika ny voka-pifidianana tsy ofisialy izany dia efa izay sahady no fomba fiteny, hialana bala, ary rehefa tonga eny amin’ny HCC dia fiteny hafa indray no hivoaka eo, ampiana fotsiny hoe TSY azo raisina fa TSY mitombina.

Anisan’ny nahatonga ny fihenan’ny isan’ny mpifidy mantsy io fomba fitenin’ny HCC teo aloha io satria Didy tsy azo ivalozana ny an-dry zareo, ka na manao ahoana na manao ahoana ny voka-pifidianana marina avy tany amin’ny birao fandatsaham-bato tany rehetra tany dia hivadika foana izany.

Miteraka tsy fahatokisan’ny vahoaka ny andrim-panjakana ny zava-nitranga tao ho ao izay, hany ka tsy nahagaga raha maro no tsy nifidy, ankoatra ny fanilihana ankitsirano izao ireo olona mpifidy heverina fa tsy handatsa-bato ho an’ny IRD. Mialoha ny fifidianana rahateo dia maro ireo Lehiben’ny Fokontany no nosoloina, betsaka ireo lisi-pifidianana tsy nandeha amin’ny tokony ho izy, tafihan’ny antsoina hoe Dahalo ny fiara nitondra ny voka-pifidianana sy ny biraom-pifidianana sasany. Tafiditra ao anaty paikady politika mirefarefa amin’ny tany avokoa ireny rehetra ireny, ary amin’izay fotoana izay, dia miova ny voka-pifidianana, mba hampandaniana ireo kandidam-panjakana. Rehefa avy eo, ny HCC sy ny CENI dia hiteny mora foana hoe: tsy azo raisina fa tsy mitombina.