Mbola mila fanabeazana ny vahoaka ary ireo mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana isan-karazany

Fanehoan-kevitry ny Filoha Marc Ravalomanana momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana.

• Vitsy ny olona no tonga nifidy maro no azo hanazavana izany. Ao ohatra ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny rafitra mpikarakara ny fifidianana noho ny zava-nitranga tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo. Eo ihany koa ny laza ratsin’ny Antenimieram-pirenena noho ny asa nataon’ireo solombavambahoaka teo aloha, izay nanjakan’ny kolikoly.

• Tsy resy akory ny TIM fa nandresy fa saingy betsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato misy. Tsy atao mahakivy izany fa tsy maintsy atrehina ary tsy maintsy mijoro hatrany isika manohitra ny tsy mety ary mampahafantatra ny vahoaka izany.

• Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato ka very ny fahatokisan’ny vahoaka ireo andrim-panjakana samihafa eto amin’ny firenena.

• Leo ny fitiavantena, ny fitiavan-tseza sy ny kolikoly ny vahoaka ka izay no mahavery ny hasin’ireo andrim-panjakana eto amintsika. Ireo manana andraikitra amin’ireny andrim-panjakana ireny ihany koa tsy manaja ny asany araky ny lalàna misy.

• Misy ireo mpitondra na ny olona sasany mihevitra fa tokony ho foanana ny andrim-panjakana sasany toy ny “Sénat” na ny Antenimieram-pirenena fa mandany vola. Ny marina dia tsy mahalala ny asany ireo olomboafidy sasany ka manjaka ny kolikoly ary ao ihany koa ireo tia tena ka tsy mijery ny tombontsoam-bahoaka.

• Ireo no manimba ny “Institutions” na ny andrim-panjakana ka noho izany tokony izy ireo no beazina fa tsy ny andrim-panjakana no foanana. Ireo “institutions” ireo no maha-firenena Repoblikana ny firenena. Ireo ihany koa no fototra iorenan’ny demokrasia ka tokony arovana.

• Ohatra raha misy tsy mety ataon’ny filohan’ny Repoblika, anjaran’ireo andrim-panjakana hafa toy ny mpanao lalàna (Sénat sy ny Assemblée Nationale) sy ny Fitsarana Avo momban’ny Lalampanorenana (HCC) no miteny azy ary mampihatra ny lalàna misy fa tsy ny “Présidence” akory no ho foanana.

• Mbola mila fanabeazana ihany koa ny vahoaka ary ireo mpikambana ao amin’ny andrim-panjakana isan-karazany tokony hanaja ny lalàna misy izay mifehy ny andraikitra iantsorohany mba hanjakan’ny tena demokrasia eto Madagasikara.

• Fehiny, ny TIM.K25 dia miezaka hatrany mampiofana ireo olomboafidiny ary manabe ny vahoaka ary hijoro hiaro hatrany ireo andrim-panjakana misy eto Madagasikara.

FB Gazety Valosoa Rakoto