Andry Rajoelina sy ny IRD – Mivoaka ny tetika maloto – Ampiasaina ny fanjakana sy ny fitaovana – CENI sy distrika iray petsapetsa (tapany II)

Nibaribary nandritra ny andron’ny fifidianana fa nisy ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fandikan-dalàna nandritra ireny fanatanteraha ny fifidianana solombavambahoaka ireny, ary manamarina izany ny hetsika izay misy manerana ireo distrika maro eto Madagasikara.

Manoloana izay dia niakatra eto an-drenivohitra tetsy amin’ny foibe toeran’ny TIM.K25 etsy Belera Ampandrana ireo kandidà avy amin’ny faritra nanamafy fa nisy tokoa izany tsy fanarahan-dalàna izany.

Tsy manaiky ny tsy fanarahan-dalàna nitranga nandritra ny fanatanterahana ny fifidianana ny solombavambahoaka farany teo ny vahoakan’ny distrika maro manerana an’i Madagasikara. Tonga eto an-drenivohitra ny delegasiona avy amin’ny TIM.K25 tany avy amin’ny faritra atsimon’ny nosy iny toy ny Fianarantsoa I, Amparafaravola, Belo sur Tsiribihina, Toliara I, Ambalavao Tsienimparihy nanamafy fa tsy nandeha araky ny tokony ho izy ny fifidianana natao tamin’ny Alatsinainy faha-27 Mey teo ary betsaka ny lesoka.

Ambalavao Tsienimparihy – Rasoanirina Marcelline
Tsy nisy ny fifidianana tany amin’ny toerana misy anay. Tsy nampifidiana ny vahoaka fa ny fifidianana dia efa vita talohan’ny fotoana. Isam-pokontany ve ny kandidà n°2 amin’ny MAPAR (ndlr, IRD – RAZAFIMAHATRATRA Daniel Jean Christian) dia zato miakatra daholo ny azy isaky ny BV. Niharan’ny tsindry hazo lena tanteraka mihitsy ny tenanay. Raha mba nisy aza ny fiadian-jo amin’ny hoe mira lenta dia tsy misy izany amin’izao fotoana izao satria ny vehivavy mihitsy no nohosohosehana. Ny vehivavy taminay dia nosakanana tamin’ny kihon-dalana hoe mipodiàna nareo fa tsy misy mahazo mifidy. Satria ny vehivavy tany aminay dia efa nametraka hoe anay hiova hifidy ny namanay ampela satria ny ampela dia tsisy mpijery tamin’izay fotoana izay ka indray mitoraka ity misy vehivavy, hifidy izahay. Nohorohoroana ireo vehivavy ireo tsy avela hifidy. Izay no antony mahatonga anay niakatra aty amin’ny foibe satria ny any aminay dia horohoroana tanteraka ny vahoaka. Fa na ny radio izay mampita vaovao aza dia mihidy tanteraka amin’izao fotoana izao. Tsy misy ny fampitam-baovao. Natao tompon-trano mihono daholo ny olona ao amin’ny distrikan’Ambalavao. Tsy misy mahalala izao zavatra izao.

Toliara I – Me Elisoa
Tsy fifidianana demokratika tao Toliara tao. Tamin’ny fotoana fandatsaham-bato, isaky ny BV fara-fahakely olona 50 hatramin’ny 100 eo no miverina manana kara-pifidianana nefa tsy ao anaty lisi-pifidianana. Tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany sy faharoa, tao anaty lisitra ireo oloa ireo, fa rehefa tonga ny fifidianana solombavambahoaka dia tsy tao anaty lisitra.

Amparafaravola – Rabekijana Solofo Hery
Nisy ny fanaparam-pahefana izay nataon’ny kandidà sasany, ohatra ny fametrahana ‘cocarde’ tao anivon’ny fanaovana propagande. Faharoa, ny tsy fanajàna ny lalàna ao anaty fifidianana, dia ny fizaràna vola sy fitaovana toy ny friperie ho an’ireo mpifidy. Ary ny fahatelo, betsaka ny vahoaka nifidy tamin’ny présidentielles izay tsy tao intsony tamin’ny députation. Koa manaitra ny CENI hijery izany zavatra izany.

Fianarantsoa I – Ratoambina Ramara
Tsy nety ny nanaovana ny lisi-pifidianana. Misy izay mpomba anay afaka nifidy tamin’ny présidentielles, premier tour, deuxième tour, ary rehefa hanao députation dia tsy tao anaty lisitra. Tsy amina fokontany izay izany maromaro. Ka eto izahay dia mampitandrina ny CENI fa tsy nety ny fandrindràna iny fifidianana iny.

Belo sur Tsiribihina – Solo Christian
Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna tany aminay. Ary izay no nahatonga ny kandidà enina avy any Belo sur Tsiribihina nanao déclaration tamin’ny télé. Ny lisi-pifidianana tany amin’ny fokontanin’ny Tanambao izay nandresen’ny TIM 70%, 1/3-n’ny olona nifidy no nampidirina tao anaty ny lisi-pifidianana. Izay raha izay matetika manerana ny distrikan’i Belo sur Tsiribihina. Dia nalàna tao amin’ny lisi-pifidianana daholo ny olona efa fantatra fa hifidy ny kandidà TIM. Izay fokontany rehetra nahazoanay vato dia no-menacer-na handefasana coup d’arrêt, nandritra ny propagande. Raha nareo mifidy ity kandidam-panjakana ity dia tsy asiana coup d’arrêt aty aminareo fa raha mifidy kandidà hafa dia asiana coup d’arrêt. Betsaka izany ny fampiasàna ny fahefam-panjakana tany aminay.

Na dia naninzingizina aza ny fitondram-panjakana fa nizotra tamim-pilaminana ny fifidianana, ny mifanohitra amin’izay no miseho ary abaribarin’ny hetsi-bahoaka avy amin’ny distrika 80 amin’ny distrika 109 eto Madagasikara izany. Misy porofo mivaingana avokoa ireo tsy fanarahan-dalàna sy ny tsindry hazo lena izay nihatra tamin’ny kandidà izay tsy niara-dia tamin’ny fitondrana azy ho avoaka amin’ny fotoana maha-mety azy izany.

Laurette Bertone sy Herizo Rajaonarivony, MBS