ALEONAY TSY MIFIDY INTSONY

‘Zahay dia tsy hifidy intsony fa toa fandaniana lera
Izany hoe mandeha mifidy raha ny vita no jerena.
Tena akaman’ny mpitondra ireo napetraka ho vaomiera
Ka tsy maintsy ho “ny azy” hatrany no hibata fandresena.

‘Zahay dia tsy hifidy intsony fa tsy hisy zava-marina
Ny amin’izay ho fifidianana sy ny tohiny rehetra.
Izay tiatian’ireo mpitondra, ireny foana no hakarina,
Ka dia miasa ny bontolo sy fanaovana amboletra.

‘Zahay dia tsy hifidy intsony fa toa fandaniam-potoana
Izany hoe mandeha mifidy raha hitsiana ny fiteny.
Mihamahantra ny vahoaka, mihamaro iretsy noana.
(Akanjo iray dia mahavidy ny safidin’izy ireny!)

‘Zahay dia tsy hifidy intsony fa toa fandatsam-bahoaka
Izany hoe mandeha mifidy sy mifantina izay tiana.
Tsy `zay nofinidinay no indreo mazàna tafavoaka,
Noho ny resaka hala-bato sy ny hosoka iniana!

‘Zahay dia tsy hifidy intsony raha tsy atao ny fanovàna
Ka dia miova ireo ekipa sy vaomieram-pifidianana,
Toy izay koa “ireo avo” hamoaka didim-pitsarana.
Tena mila miova ireo fa be ‘zahay no leom-boananana.

DADAN’I ZINA (02-06-19)