NY FIFIDIANANA ETO MADAGASIKARA

Be dia be no efa kivy raha vao resa-pifidianana,
Noho ny ataon’ireo mpitondra sy ny manam-pahefana.
Tranga maro no mitory ny tsy fahatomombanana,
Saingy miaro tena foana ireo izay tompon’ny lalàna.

Hainy hatrany ny mangina na ny mialaala bala,
Raha vao hoe ny akamakama no manao zava-tsy mety,
Ka ny fahaleovantenany, zary mampisalasala.
(Asa izay mamatotra azy na ny vola na malety!)

‘Ndeha jereo ny zava-misy sy ny salam-pahavitrihana.
(Tena nidina tanteraka raha ny omaly no topazana.)
Be dia be no sahy nilaza sy nanao fanamarihana
Fa antsasany mahery ireo mpifidy no tsy tazana.

… Be dia be no efa kivy raha vao resa-pifidianana,
Fa dia resaka maloto, tsy ahitana zava-marina.
Ka raha io no hojerena, ka raha io no hoe tombanana
Dia ny akaman’ny mpitondra, ireo no amboarina sy akarina.

DADAN’I ZINA (27-05-19)