Fifidianana depiote – Ambatondrazaka – Manondrana sahady ny Céni

Nisy tranga hafahafa indray manodidina izao fifidianana solombavambahoaka izao tao Ambatondrazaka.

Vao maraina dia tsikaritra fa misy biraom-pifidianana izay tsy misava ny karapanondron’ny olona mifidy. Ka raha nantsoina ny tompon’andraikitra voalohany avy ao amin’ny CED izay tokony mamaha ny olana dia tsy hita fa lasa mission hono.

Etsy akaiky dia velona koa ny ahiahy amin’ny fanodikodinana PV hanovana ny voka-pifidianana. Raha tokony miisa 24 ny PV ho an’ny delegen’ny kandidà 19 sy ho an’ny rafi-pitondrana samihafa dia misy birao maro izay tsy ampy isa ny PV.

Rehefa nantsoina ny Céni distrika dia niaiky ny toe-javatra saingy tsy manome vaha-olana  sy antoka ho an’ny kandidà fa manan-kery eo anatrehan’ny HCC ny tefy maika izay arosony.

Manome torimarika i Fidèle Razara Pierre mba hialana amin’ny halabato sy hosoka noho ny tsy fandraisan’ny Céni andraikitra mazava eo anatrehan’ny kandidà rehetra ka manome vaha-olana azo antoka eo anatrehan’ny HCC. Ahiana mantsy fa ilay ravina PV tsy ampy no ho ampiasaina hanovàna ny isa ka ampifanoloana amin’ireo PV tena araka ny voka-pifidianana. Miantso ny olom-pirenena i Fidèle Razara Pierre mba hijoro, hanatrika ny fanisam-bato ary hanamarina ny voka-pifidianana izay avaokan’ny Céni avy eo, ary miantso koa ny delege hanoratra ny tranga rehetra ao anaty PV, toy ny tsy fahazoana PV sy ny voka-pifidianana.