EDITO 28 Mey – Fihisaran’ny fahavitrihan’ny mpifidy : fanombohan’ny fampitandremana ny fitondran-dRajoelina

Sôh’son

Mampieritreritra ny mpandinika maro ny fihisaran’ny fitomboan’ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy omaly, indrindra ny tapak’andro maraina. Na ny teo anivon’ny tomponandraikitra aza, anisan’izany ny Ceni, dia samy tsy nahitan-teny firy nandritra izany, fa ny hany natao dia nanohy hatrany ny fanentanana ny mpifidy mba ho tonga hamita ny adidiny. Na eo aza ny mety ho antony toy ny lafiny toetr’andro amin’izany, dia amin’ny ankapobeny misy antony ifotorany izay mifamatotra amin’ny toe-javatra efa nisy, fa tsy tongatonga ho azy akory izany.

Niaraha-nahita sy nahalala tsara ny zava-nisy tamin’ny fifidianana niseho teto amin’ny firenena hatramin’ny taona 2010 no mankaty. Ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao farany teo dia vao mainka namantsika sary ratsy tao an-dohan’ny maro. Tsy lavina, nisy ny fihetsika nataon’ireo mpanisa vato ofisialy mpanapaka farany nandidy ny tian-kano tsy tian-kano tamin’ny vahoaka Malagasy. Ny vokatr’izany, na ny setrin’izany aty aoriana dia ireny niaraha-mahita ireny ny fahavitrihan’ny vahoaka nandeha nifidy.

Tsy tokony hidodododo ve ny vahoaka handeha handatsa-bato fa ny olona izay ho solombavany no hofidiany? Ilay olona hitondra ny hetahetany eo anivon’ny fitondrana? Ary ny tena tokony ho izy tsy ilana fanentanana be dia be izany. Tsy izany anefa no mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ho an’ny mpanara-baovao sasany, efa miantomboka ny fampitandremana ataon’ny vahoaka ny fitondrana Rajoelina eo amin’ny fitantanam-pirenena. Nahakivy ny maro ny fihetsika ninia nikimpy nataony sy ireo kandida miaraka aminy tamin’iny fotoanan’ny fampielezan-kevitra iny. Zary toa nentina tany amin’ny lalana anjakan’ny fitsipi-dalao gaboraraka ny firenena ny fahitana azy, ary ny mpitsara tsy mahita hambara ao anatin’izany. Tsy nisy mihitsy fiezahana hanatsara zavatra tao anatin’iny fifidianana solombavambahoaka iny. Ny lesoka taloha mbola nisy hatrany ihany. Mbola hitohy ve ny kopaka isasahana? hoy ny efa manomboka manamboatra saina. Ho ratsy anefa ny ho vokatr’izany aoriana ao.

Mametraka hatrany ny firenena ho ratsy toerana sy tsy ho modely ny fisehoan’ny fampielezan-kevitra sy ny fomba fanisana ary ny voka-pifidianana tato ho ato izao. Ireny ihany koa dia karazany zezika ratsy na fototra na faka ratsy tsy hahasoa ity firenena ity. Hita ho miezaka ihany ireo olom-pirenena saro-piaro amin’ity firenena ity sy mahatsiaro ho marary amin’ny tsy fanjarian-daraharaha miseho lany eto, kanefa ny “laka” efa bodoin’ireo mihevitra hahavita samirery ny asa fampandrosoana. Hatreto anefa, tao anatin’izay 10 taona izay, tsy hita izay fiovàna mazava nizorana. Hitan’ny vahoaka tsara izany, ary ireny mampisy fiantraikany amin’ny raharaha toy izao.