EDITO 18 Mey – Puce elektronikan’omby, faly hatramin’ny dahalo

Rajaonarimpanontsana

Natao nahoraka sy nitehafana ny fanolorana Puce Electronique ho an ‘ny omby tany Tsiroanimandidy ary dia faly avokoa ny mponina hatramin’ny dahalo. Ny antony dia tsy mahavaha ny olan’ny halatr’omby velively izany Puce Eléctronique izany, satria hangalatra foana ny dahalo ary vonoiny ilay omby halatra dia very anjavony ny Puces. Miakatra avy hatrany any anaty sambo; misy Usine mpanodina ny henan’omby mantsy eny an-dranomasina eny ny omby halatra ary dia tsy hita anjavonany avy eo. Izay no zava-misy eto amintsika.

Maro ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny fitondrana no miara-miombon’antoka amin’izany, ka miara-mihinana ao anatin’io fitadiavana maloto io. Mipetraka ny fanontaniana amin’ny mpanara-baovao : tena izay ve no vahaolana maika hanafoanana ny dahalo? Raha tena fotorana dia resaka fitadiavana ahazoana vola avy any ivelany no ao ambadik’ity resaka Puce Eléctronique ity. Nahoana no tsy izay ahazoan’ny olona Kara-panondrom-pirenena sy Copie nahaterahana no atao fa ny omby no mahamaika?

Vahaolana mahomby indrindra ny fanapariahana ny mpitandro ny filaminana (Miaramila) any amin’ny faritra rehetra any. Isika Malagasy rahateo tsy misy mpanafika tahaka ny any amin’ny tany Arabo, tsy manana fahavalo, koa heverina fa tsy misy ny maharatsy izany fanapariahana mpitandro ny filaminana izany raha atao hiaro ny vahoaka sy ny fanany marina, fa tsy natao hiaro ny mpitondra fotsiny.

Ny resaka fananantany tsy resahana intsony, fa ireo vahiny mpanam-bola indray no maka ny tanindrazan’ny Malagasy. Tsy misy miteny na iray aza fa dia ny Puce ny Omby no mahamaika.