EDITO 9 Mey – Antoko matanjaka sy lehibe ny TIM

Rajaonarimpanontsana

Manana ny toerana maha izy azy eto amin’ny firenena ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ary mbola ao anatin’ny heriny tanteraka, raha miohatra amin’ireo antoko hafa. Ireo kandida mirotsaka ho fidiana koa dia notsongaina tao anatin’ny maro. Ao no efa nitana ny toeran’ny solombavambahoaka ao koa ireo vao hirotsaka ary samy nahazo ny tso-dranon’i Dada avokoa. Vao fanombohan’ny fampielezan-kevitra dia azo hambara fa vonona tanteraka ny TIM raha mitaha amin’ireo hafa izay mbola mitavozavoza, tsy mahatoky tena na koa mbola miandry vola hanaovana Propagandy.

Ny fotoana tahaka izao tokoa mantsy no anaovan’ny kandida sasany fitadiavam-bola fa ny foto-kevitra ijoroana tsy misy akory. Ny hafa moa dia mba misehoseho ho hitan’ny olona, izay no tena irotsahana. Ny Ceni dia mahita sahady tsy fahatomombanana amin’ireo kadida mirotsaka, izany hoe, misy ny mandika lalàna ary tsy miraharaha izay lalam-pifidianana izany. Ny ataony ihany no ataony. Ny antoko TIM no manaja ny fitsipi-dalao ary voataiza ao anatin’ny fanarahan-dalàna. Manaraka ny toro-mariky ny antoko, tsy mba mpivadibadika palitao na ho tratran’ny mena miraviravy. Rakotra kandidan’ny TIM ireo biraom-pifidianana sy ny ankamaroan’ireo Distrika sy ny fokontany manerana ny Nosy, handrombaka toerana maro ao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza izy ireo ary tsy hanaiky hala-bato, sy familiviliana ny tena safidim-bahoaka intsony. Izany no ilazana fa antoko matanjaka ny TIM.