EDITO 4 Mey – Karama be tsy andraofana

Rajaonarimpanontsana

Mahavita inona moa ilay karama farany ambany lasa 2 hetsy ariary? Fanontaniana mipetraka eny am-bavan’ny mpiasa maro miasa amin’ny miankina, na tsy miankina amin’ny fanjakana izany. Ny antony dia satria tsy hain’ity fitondrana ity na tsy fantany mihitsy fa hampiakatra ny vidim-piainana izy io satria tsy maintsy hanondrotra ny vidin-javatra ilaina andavanandro ireo mpivarotra isan-karazany. Maro ny miasa tena sy mitady izay harapany ary tsy maintsy hametraka vidin’entana mifanaraka amin’ilay fisondrotan-karama.

Tsy voalaza mihitsy mantsy ny fenitra hampifandanja ny tolotra sy ny tinady, fa ny fantatra fotsiny dia ny hoe: nanondrotra karama, hono, ny filoha Andry Rajoelina. Be am-panononana ilay izy fa raha tena jerena amin’ny saina tsy miangatra dia tsy hampiova ny fianam-bahoaka velively. Mbola hilentika any anaty hantsana indray Ramalagasy rehefa tsy mahafehy ny antsoina amin’ny teny vahiny hoe « Inflation » ny fanjakana. Hiakatra manaraka io fisondrotan-karama kely io ny vidim-bary, fanafody , ireo kojakoja ilaina ao an-tokan-trano, ny saram-pianarana , ny fitaterana , sns…

Tamin’ny fotoanan’ny Repoblika faharoa sy tamin’ny fitondran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nampiasaina ireo « Inspecteurs du Commerce » , mijery izay mpivarotra na mpandraharaha mampiakatra vidin’entana tsy amin’ny tokony ho izy. Ankehitriny , maro amin’izy ireo no efa nisy lasa nisotro ronono , nodimandry ary nisy voaroaka mihitsy aza. Io sehatra io anefa no manara-maso ny mpivarotra nanerana ny Nosy. Matoa tsy ampiasain’ny fitondrana Rajoelina io ankehitriny dia ao raha. Izany no mampieritreritra ny mpiasa amin’izao fotoana izao rehefa hiakatra avo 2 na 3 na 4 heny mihitsy, mihoatra ilay karama be tsy andraofana, ny vidim-piainana atsy ho atsy.

Manaraka izay, tsy mazava tsara raha hiakatra mitovy amin’io koa ny karaman’ireo mpiasa antonontonony sy ireo manana mari-karama ambony. Raha izay mantsy no hitranga dia ny teo ihany no teo. Ikotozafy ihany no Lexis. Mijanona eo foana ilay elanelana misy eo amin’ny samy mpiasa. Tsy mitombona mihitsy araka izany ilay hoe mitsinjo ireo vahoaka sahirana sy kely karama ny fitondrana tarihan’ny filoha Rajoelina. Ireo Syndicats maro isan-karazany dia efa nampiaka-peo sady nanamafy fa tokony mihoatra ny 3 hetsy ariary mahery ny karama farany ambany raha miohatra amin’ny vidim-piainana ankehitriny ary tsy hijanona izany fitakiana izany, ankoatra ny zon’ny mpiasa tokony ho azo, tsy notanterahan’ity fitondrana ity.