EDITO 30 Aprily – Tsy handroso ny firenena tsy misy firaisankinam-bahoaka

Sôh’son

Nandrasana fatratra tao anatin’ny tatitra nataon’i Andry Rajoelina ny alahady tolakandro teo ny amin’ny fampiraisankina ny vahoaka Malagasy. Marina fa ezaka tsy ao anaty telovolana izany na enimbolana, kanefa misy ihany ny asa tokony ho hita soritra fa miroso ho amin’izany tokoa ny tenany sy ireo ekipa miaraka aminy rehetra. Tsy hisy fampandrosoana hanjary izany eo raha toa ka tsy miray hina ny vahoaka ary tsy miara-mientana marina amin’ny asa fampandrosoana. Niaraha-nahalala tsara ny zava-nisy teto amin’ny firenena nanomboka tamin’ny taona 2009 no mankaty amin’ny fiafaran’ny tetezamita, sy ny nidirana tao amin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ary ny fahatongavana tamin’izao fitondrana ankehitriny izao. Tsy misy afaka handà, fa nivakivaky ny fiaraha-monina teto noho ny resaka politika, ary tsy notadiavina mihitsy izay fomba nanasitranana izany tato anatin’ny 10 taona ho an’ireo nifandimby teo amin’ny fitondrana ireo. Zary nanao ambany maso tsy hita ny zava-misy izany aza ny maro ny faran’ny taona 2018 mba hilaminan’ny firenena sy fitsinjovana ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Firenena nandamaka no nisy, tonga teo amin’ny fitondrana ny Tgv. Mila fomba fiasa maika sy vahaolana malaky ny firaisankinam-pirenena, ary mitaky asa fatratra izany.

Tsy hita mazava anefa ny ezaka tamin’izany tao anatin’ny telovolana. Ary ny nanaitra dia mikisary fampizarana ny vahoaka indray aza no re tao anaty teny famaranana farany. Raha atao antsipiriany ny filazana natao dia misy karazany na notsinjaraina ho dimy ny vahoaka Malagasy ny fahitan’ny fitondrana Rajoelina azy. Eo aloha ireo vahoaka miara-dia aminy efa ao anaty lamasinina. Ireo efatra kosa dia ivelany, izay olana ho an’ny fizoran’ny lamasinina: eo ny sokajin’ny lazainy ho mpisakantsakana, ny faharoa ireo tsy mihevitra mihitsy ny hiditra ao anaty lamasinina, ny fahatelo ireo mpitazana fotsiny, ary ny farany ireo tena mikasa hanao izay hampivadika ny lamasinina mihitsy, araka ny nambarany ireo. Tsy maintsy mandeha anefa ny lamasinina, hoy izy. Ny dikan’izay hijanona hizarazara ihany ny vahoaka miditra amin’izao telovolana faharoa amin’ny hitondrany izao, ary tsy manana vahaolana hamahana izany ny tenany sy ny ekipany. Tsy hahasoa firenena anefa izany, fa tsy vao izy irery akory no filoha nanao izany teto tato anatin’ny 59 taona niverenan’ny fahaleovantena. Efa nisy nanao izany fomba tsy mahomby izany, izay tsy nivaky loha tamin’ireo izay tsy vonona nanaraka azy, fa niseho nahavita tena irery sy nihevitra ho nanana fahaizana faratampony amin’ny fampandrosoana ity firenena ity. Iaraha-mahita tsara anefa mandraka ankehitriny ny nanjo ny vahoaka sy ny niafaran’ny firenena. Efa nisy izany teto fa tsy nahasoa ny vahoaka sy ny firenena.

Midika mazava loatra ho tsy fananana traikefa sy tsy fahaizana mitondra firenena mihitsy ny fiziriziriana handeha jonjorombona fotsiny tsy te-hahalala an’iza na iza eo anivon’ny firenena tantaniny.