EDITO 20 Aprily – Tsy amin’ny ampahany rehefa manarina ny sandam-bidin’ny soatoavina

Radafy

Avoaka amin’ny haino aman-jery sy an-tsoratra sy voizina ny fihetsika ataon’ny fitondrana amin’ny hoe fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana. Tamin’ny fanombohana ny asa dia natao avokoa ity fomba rehetra fahiny ity rehefa amin’ny fotoana toy ireny. Izany hoe niverina amin’ny fototra maha izy ny Malagasy izany fihetsika izany. Tamin’ny vanim-potoanan’ny Mpanjaka iza anefa io soatoavina niverenana io, satria maromaro ireo mpanjaka nifandimby teto hatramin’ny nanapotehan’ny Frantsay mpanjanatany ny fahaleovantenan’ny Fanjakana Malagasy ny taona 1895-1896. Nisy ny fanaingana amin’ny fananganana indray an’i Besakana, izay Lapan’Andrianampoinimerina io. Rehefa miresaka an’io mpanjaka io anefa dia tsy zoviana amin’ny Malagasy, eny hianaran’ny kilonga madinika any am-pianarana aza, ny amin’ny fahendreny nitondra fanjakana. Nasongadiny nandritra ny taona nitondrany fa Andriamanitra no tompon’ny fahefana eo am-pelatanany io ary ho tsininy Aminy raha toa ka ho mena-mitaha amin’ny firenen-kafa ny fireneny, ary ny vahoaka tena notsinjoviny fatratra ary niadana ; tsy nila ranondranony na nanaiky hofehezin’ny vahiny izy sy ny fanjakana. Raha momba ny Rovan’i Manjakamiadana indray dia tamin’ny andron-dRanavalona I no nanorenana azy. Ilay Mpanjakavavy nahay niaro ny fireneny tamin’ny tetika maizina mpanjakazaka an-tanin’olona eoropeana, ny Anglisy sy ny Frantsay indrindra indrindra. Tsy nisy vahiny nahazo tany izany teto Madagasikara tamin’ny andron’izy ireo. Vitan’izy ireo ny niaro ny fiandrianam-pirenena malagasy…

Tsiahy fohy ny tantara izay, mba hahafahana mibanjina ny ankehitriny ka hirosoana amin’ny ho avy. Inona no tanjon’ny fitondrana Rajoelina raha nametraka ho laharam-pahamehana ny fanarenana an’io Rova io? Manao izay hanarenana fotsiny ve ka hisehoana ho nahavita, toy ny tranga Lapan’ny Tanàna? Sasanangy tsy mitovy. Ny toe-tsain’ny Mpanjaka fahiny ireo tamin’ny fananganana ny lapany no tokony hananan’izay manarina azy. Tsy hoe akory hanao ny fomba fitondrana faha-mpanjaka, efa nilaozana izany fa repoblikana isika taorian’ny niverenan’ny fahaleovantena, fa ilay hasarotam-piaro amin’ny maha-Malagasy mihitsy ary saro-piaro amin’ny taniny no tokony hananan’ny mpitondra ankehitriny.

Tsy hita taratra loatra izany hatreto tao anatin’izay telovolana nitondrana izay. Tsy afaka hanamarin-tena ny amin’izany ny fitondrana. Raha tena sarotiny amin’ity firenena ity tokoa sy amin’ny vahoaka Malagasy ary ny fiandrianam-pirenena, tokony efa ho re ihany, indrindra amin’ny minisitra tomponandraikitra, ny amin’ny tohin’ny fanadihadiana natao tamin’ny satroboninahitry ny Mpanjaka izay nisy nangalatra teny Andafiavaratra. Aiza izao ny niafaran’iny harena sarobidin’ny firenena Malagasy iny, sa avelavela ho any? Mariky ny fiandrianam-pirenena anefa ireny ary itarafana ihany koa ny fomba fiasa sy toe-tsain’ny mpitondra amin’ny hitantanany ity firenena ity.