CENI sy HCC – Tsy mahafehy ny fampielezan-kevitra alohan’ny fotoana ataon’ireo kandidà

Rajo

Na ny Ceni, na ny Hcc dia efa samy nilaza fa tokony hajaina ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ohatra amin’izany ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana sy ny fanajana ny zon’ny mpifidy sns… Mbola misy ny kandida miseho amin’ny vahoaka ary mampahafantatra ny momba azy sy efa milaza an-kolaka sahady hoe izaho no kandida natolotr’izao ohatra. Misy mody mizara zavatra, manao famoriam-bahoaka, mandresy lahatra ny vahoaka amin’ireo praograman’asany raha tonga eo amin’ny toerana izy, sns… toy izay nitranga tany amin’ny faritr’ Ankazobe ohatra dia natolotra mihitsy ilay kandida, izay nilaza fa kandidàm-panjakana ary nampahafantarina ihany koa ireo praograman’asany, sns… arahana vakodrazana sy hiragasy toy ny efa fampielezan-kevitra mihitsy fa ny miteny hoe fidio no tsy natao tamin’izany.

Hita fa tsy voafehin’ny CENI sy ny HCC ny zava-misy. Mbola nampivory mpampianatra sy tompon’andraikitra samihafa ihany koa nanentanana zavatra samihafa. Tsy ny tany Ankazobe ihany, fa maro ireo kandida no miseho vahoaka sy mizara zavatra ary mody manao asa soa, na dia tsy hita hatramin’izay aza. Samy te-ho lany avokoa moa ka tsy maintsy atao izay handresena lahatra ny vahoaka mpifidy isaky ny fokontany. Mbola sarotra arak’izany ny hifehezana ny fampielezan-kevitra mialoha, na ny hetsika mitovitovy amin’izany raha mbola izao no misy eto.

Ny lalàm-pifidianana mihitsy no tokony hiova ary efa maro ny mpanao pôlitika sy fikambanana no mitaky azy io. Hatreto anefa dia mbola io lalàm-pifidianana io no hajaina sy ampiharina, ka samy mizaka ny vokany eo avokoa ny rehetra.