EDITO 16 Aprily – Herinandro Masina, mety tsy hisy ny fiatoana politika

Isambilo

Nanomboka omaly ny fankalazana ny Herinandro Masina, ho fahatsiarovana ny fiandrasana ny fitsanganan’i jesoa Kristy tamin’ny maty amin’ny andro fahatelo, rehefa nohomboana tamin’ny hazo fijaliana ny andron’ny Zoma Masina, maty izy ary nalevina, araka ny finoana Kristiana, nitsangan-ko velona tamin’ny andro faha-3 dia andro Paka na ny andro Paska.

Ny Paka no fety ara-pinoana lehibe indrindra amin’ny finoana Kristiana satria nanolotena ho faty ny Zanak’Andriamanitra, ka ny ràny latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no anadiovana ny fahotantsika olombelona. Koa amin’ity Herinandro Masina ity, misy ny fotoam-pivavahana isan-kariva ho fiandrasana ny Paka amin’ireo fiangonana Kristiana rehetra, izay inoan’ny rehetra fa mitondra famonjena ho antsika rehetra.

Ny fiandrasana ny Paska, Herinandro Masina toy izao raha eo amin’ny fiainam-pirenena sy eran’izao tontolo izao dia tokony hisiana fiatoana politika. Hiatrika fifidianana depiote isika ny 27 mey ho avy izao, ao anatin’ny fampahafantarana azy mialoha ireo kandidà ankehitriny, na ilay hoe pré-campagne, ka mety tsy ho voahaja loatra raha ny eto amintsika izay tokony hisiana fiatoana politika noho ny Herinandro Masina sy ny Paka izay. Mety ho any am-piangonana mihitsy aza ny kandidà sasany no hanao ny fampielezan-keviny mialoha sy ankolaka.